Filtrer les éléments par date : vendredi, 24 mai 2019

Amin'izao faramparan'ny fampielezan-kevitra izao, dia Ambohitrakely sy Mandialaza no notetezin'i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Maro ireo olona mankahery ireto kandida, izay tena mahatsiaro akaiky azy ireo tokoa, ka atokisana hitondra ny tenin'izy ireo sy hampandroso ny Boriborintany faha III.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
vendredi, 24 mai 2019 19:41

Lyon France: Explosion terroriste

Lyon France: Explosion terroriste

Publié dans Fil info

Morarano indray no notsidihan'i kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga sy Jaojoby Eusèbe, izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II, sy ireo mpiaradia aminy.

Vory maro ny olona nanotrona ny kandida laharana 01, akaikin'ny vahoaka hatrany. Maro ny fotodrafitrasa kasaina hatao ety Morarano hoy i Lanto Rakotomanga, tsy maintsy mifanampy isika, ary ny filoha tsy manadino antsika, efa nofidinareo izy, ary manentana anareo aho tsy hiala amin'ny olona nosafidiany hisolo tena azy ao amin'ny Antenimierampirenena.

Publié dans Politique

Natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha ny Alakamisy 23 mey 2019 tolak'andro ilay miaramila amperin'asa avy ao amin'ny Toby miaramila 711 Amborinala – Sambava, sy ny vadiny, izay voarohirohy ho nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-basy ka nitifirana namonoana ilay mpikirakira lavanila monina tao Tsararivotra Fokontany Ambodisatrana-II ny alin’ny 28 Aprily 2019.

Nananosarotra ihany ny fanolorana ity miaramila ity teo ampelan-tananan'ny Zandarimaria mpanao famotorana noho ny tsy naneken’ny lehibeny ny hanolorana azy avy hatrany tamin'izy ireo, koa tamin’ny Alarobia farany teo, izay vao afaka niroso tamin’ny famotorana, ka izao natolotra ny Fitsarana, ary nidoboka am-ponja vonjimaika izao izy sy ny vadiny.

Marihina fa vola teo amin ny 17 400 000 Ariary no voaroba tamin'izany, ka olona miisa dimy no efa nampidirina am-ponja vonjimaika mikasika ity raharaha ity, niampy ity miaramila mivady.

 

Publié dans Tselatra

Nidina teny Behoririka nanao fisavana sy fanagiazana tao amin'ny trano fonenan'ny teratany Sinoa iray, androany, ny Ministeran'ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana, notarihan'ny Talen'ny kabinetra niaraka tamin'ny kaomiseran'ny varotra, ny mpanara-maso ny vokatra, ny vaditany ary mpitandro filaminana taorian’ny loharanom-baovao avy amin'ny olona tsara sitrapo.

Nahatratrarana vokatra simika "Aspartame" milanja roa taonina eo ho eo tao an-toerana, izay tsy nahazoana alalana satria tsy manana taratasy fanomezan-dalana hanafatra sy hivarotra na hanodina ity vokatra ity ireto teratany Sinoa ireto.

Publié dans Tselatra

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy androany tetsy amin'ny faritany Ambohidahy ny permis biométrique vaovao iraisam-pirenena.

Ho an’ireo tsy mbola manana nefa efa nahazo quittance teo aloha no mandeha aloha, miaraka amin'ireo mbola tsy manana, izay hisokatra amin'ny herinandro ambony io.

Ho an'ireo izay hanolo ilay permis tsy nety teo kosa dia amin'ny 20 janoary 2020 vao manomboka soloina.

Mila mampidi-bola aloha ny fanjakana amitana ny hafa.

Publié dans Tselatra

Tonga hatramin’ny fangatahana hanilihana kandida ny fitoriana tonga eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, toy ny mitranga any Fenoarivo-Atsinanana, Betroka, Antalaha, Soalala ary Miandrivazo, miandry ny hamoahan’ny HCC didy.

 

Publié dans Tselatra

Tsy ho lehiben’ny governemanta birtanika i Theresa May manomboka amin’ny 7 jona 2019, ary tsy ho lehiben’ny antoko Mitana ny nentindrazana ihany koa.

Publié dans A la Une
vendredi, 24 mai 2019 14:52

Beboarimisa Ralava: Voatety i Sahasinaka

Tsy namelan'i Zanaky Manakara BEBOARIMISA Ralava, kandida ho solombavambahoaka avy amin'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana, raha tsy nihaona tamin'ireo mponina taty amin'ny Departemantan'i Sahasinaka.

Nanomboka tao Fenomby, Mahabako, avy eo Onilahy, Ampasimboraka, Saharefo ary nifarana tao Vohimanitra. Ireo Kaominina ireo dia tsy misy tongan'ny fiara na môtô avokoa.

Nifanosina tamin'ireo vahoaka taty ny tenany. Na ny hain'andro na ny orana na ny dia an-tongotra ora maro isan'andro dia tsy nisy nahasakana ny Minisitra Beboarimisa Ralava sy ny mpiara-dia aminy.

Publié dans Politique

Raha nivahiny tao amin'ny fandaharana "Vahaolana" tao amin'ny Top Radio ity mpampianatra Professeur informatique any Fianarantsoa ity, izay minisitra ihany koa teo aloha, dia nanambara fa tena tsara ny informatisation sy ny fikasana rehetra hanao biométrique, ary manana fahaizana amin'izany isika Malagasy, na ireo teknisianina sy injeniera nivoaka tao Fianarantsoa, na Vontovorona, na Antsiranana, Toamasina, ary ireo nivoaka tamin'ny sekoly tsy miankina, ankoatr'ireo izay Malagasy manana traikefa any ivelany.

Fa ny tena olana hoy izy, dia tsy mihaino ireo teknisianina ny mpitondra ka mifamototra avokoa ny zavatra atao.

Ny algorithme hoy izy, dia miainga hatrany amin'ny olombelona.
Tsy maintsy manana soram-piankohonana izy vao teraka, dia iny no omena kara-panondro, dia izay izy vao tafiditra anaty lisi-pifidianana, izay vao mahazo kara-pifidianana.
Iny olona iny ihany koa no omena permis, ary mividy tany, na mividy fiara.

Publié dans Editorial
Page 1 sur 2