Filtrer les éléments par date : mercredi, 22 mai 2019

Hisy filan-kevitry ny minisitra atao aty rahampitso hoy izy tamin'ny lahateny nataony.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Raha tokony nihazo an'Andapa ny filoha avy teto Antalaha, noho ny aratsin'ny toetr'andro, dia nofohanana ny diany any Andapa, fa lasa any Vohémar izy izao.

Avy eo dia mandeha Sambava, ary matory ao andrenivohitry lavanila.
Rahampitso maraina kosa izy, raha tsy miova ny programa dia hihazo an'Antsiranana.

Nitsahatra kely aloha ny orana hatreto ny eto Antalaha.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mercredi, 22 mai 2019 14:12

Andry Rajoelina: Lasa any Vohemar

Vita ny fitsidihana nataon'i Filoha Andry Rajoelina teto Antalaha, nefa ratsy dia ratsy ny andro, ka niova lasa any Vohemar indray izy fa tsy nihazo an'i Andapa sy Sambava araka ny lamina napetraka aloha.

 

Publié dans Tselatra

Ratsy dia ratsy ny andro aty amin'ny faritry SAVA, tao anatin'ny orana mikija no nigadona eto Antalaha ny angidimby nitondra ny filoha Andry Rajoelina.

Avy any Maroantsetra izy talohan'izao, ary manomboka ny kabary izay ataony any amin'ny renivohitry Antalaha.

Hitohy any Andapa ny sidina rehefa miala avy eto. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanatanteraka ny teny nomeny i Lanto RAKOTOMANGA, hafaliana ny an’ireo mpivarotra tao amin’ny tsenan’i Ambanidia raha toa ka tafaverina ny herinaratra, izay efa maty nandritry ny volana maro, nahazo compteur vaovao ity tsena ity, ary nasiana jiro ihany koa.

Nitohy hatrany ny fitsidihana ny Boriborintany faha II, ka nihazo an'i Mandroseza sy ny tao Ambohipo ny fanentanana nataon'i kandida laharana 01, Lanto Rakotomanga sy Jaojoby Eusèbe, izay lisitra natolotry ny antoko politika, Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, ato amin'ny Boriborintany faha II.

Raha ny fandalovany teny Ambohipo Tanàna manoloana ny làlana izay ratsy dia ratsy tokoa, dia nampanantena i Lanto Rakotomanga, fa hiady mafy aho hoy izy, tsy maintsy hamboarina ity làlana ity. 

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Tso-drano no zavadehibe amin'i fiainana hoy ny Malagasy, nahazo tso-drano tamin'i Ampanjaka tato amin'i Kaominina Maromandia, Distrika Analalava ny kandida laharana faha 6, SOAFILIRA Princia.

"Tsara jôro anao madamo SOAFILIRA Princia, manantena anao ny vahoakan'i Agnalalava zokivavy";
Izany no tso-drano tamin'i Ampanjaka izay nahavory olo maro teto amin'i Kaominina Maromandia, Distrikan'Analalava.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Miavaka hatrany ny fandraisan'ny mponin'i Toamasina an' i Irmah Naharimamy, Kandida ho solombavambahoaka, natolotry ny antoko politika Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, laharana faha 8, eto Toamasina I.

Vahoaka tsy tambo isaina no nanotrona azy ny faran'ny herinandro teo, ary dia torak'izany koa ireo fokontany noteteziny, an''izany ny teto Tanambao 5. 
(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Rahampitso alakamisy no ho tonga hitsidika an'i Maintirano sy Ambatomainty ny filoha Andry Rajoelina, raha ny fanomanana aty an-toerana.

Hoan'i Maintirano dia efa mandeha ny filazana fa tsy maintsy tonga mitsena ny filoha ireo mpiasam-panjakana, ary ny mpianatra amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina, kilasy faha 4 sy faha 3 dia tsy maintsy tonga ihany koa, fa saingy tsy mahazo mitondra blouse.

 

Publié dans Tselatra

Nanentana ireo fokontany mandrafitra ny Boriborintany faha III ireo mpiara-miasa amin'i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

 

Publié dans Politique

Mampiantrano atrikasa ho an’ny fananan-tany eto amin’ny faritr’i Afrika i Madagasikara. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, ny talata 21 mey 2019.

Sehatra stratejika iray ahafahan’ireo mpisehatra eo amin’ny lafin'ny fananan-tany, amina firenena afrikana miisa 14, mifanakalo sy mifampizara traikefa ity atrikasa ity, ary nahafahana nandinika ny hoavin’ny tontolon’ny fananan-tany sy ireo hetsika tokony hiaraha-manatontosa momba izany. Manaporofo ny fiaraha-miasan’ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena, izay mikatsaka ny hiarovana ny zo amin’ny fananan-tany.

Nametraka politika mifehy ny fananan-tany izay mifototra amin’ny vinam-pampandrosoana i Madagasikara tamin’ny taona 2015, koa fotoana izao, hoy ny Praiminisitra, hanaovana jery todika mikasika ny fampiharana io politika io.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2