Filtrer les éléments par date : samedi, 20 avril 2019

Nanantanteraka fitsidihana ireo mpianatra monina eny amin’ny CUR Ambohipo ny kandida ho solombavambahoaka Lanto RAKOTOMANGA izay ao anatin'ny faritry ny boriboritany faha II iny toerana iny.

Ontsa tateraka izy nahita ny trano ipetrahan’ireto mpianatra ireto, tsy vitan'ny efa kely ny efitrano, nefa mbola mahatratra hatramin’ny fito no miaramonina ao. Simba avokoa ireo fotodrafitrasa eny an-toerana ary tsy mendrika ny mpianatry ny anjery manontolo hoy izy ny mipetraka amin’ireto trano tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy ireto.

Nanana ny maha izy azy tokoa raha ny cite universitaire tamin’ny androny ary tokony ho modely eraky ny afrika sy izao tontolo izao izany mpianatry ny anjery manontolo izany.

Publié dans Sociale

Mitohy hatrany ny fanampiana ataon'i Kandida ho solombavambahoaka eto Toamasina I, Naharimamy Irmah.

Nanao hetsika goavana izy sy ireo mpiara-miasa aminy nanohana ireo mpitsabo, nitondra fanafody hitsaboana ireo olona rehetra mila izany.

Maro tokoa ireo olona tsy afaka mitsabo tena noho ny tsy fisiana, ka niteraka fanentenana ho azy ireo izao fitsaboana faobe izao.

 

Publié dans Sociale

Notanterahina ny zoma 19 aprily teny amin'ny CCI Ivato ny lanonana namoahana sy nanolorana mari-pahaizana ny andiany "Andrarangy", izay nanaraka ny lalam-piofanana ho mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin'ny olon-tsotra, ny ady ifanaovana amin'ny fanjakana ary ny fitantanam-bola, teo anivon'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha, na ENMG.

Nanotrona ny lanonana ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Ntsay Christian.

Publié dans Vaovao

Natory teo amoron'ny lalamby ary nampakatra ny ilan-tongony havanana teo ambony lalamby ilay tovolahy. Tsy tafalany ny tongony nony nandalo ny lamasinina ka voahosy tao ka tapaka niala tery niaraka tamin'ny kiraro.

Androany atoandro no niseho ny loza teo Ambohimanambola, Antananarivo Avaradrano.

 

Publié dans Tselatra