Filtrer les éléments par date : samedi, 23 mars 2019

Après des semaines de polémiques, l’actuelle administration, à travers son ministère des pêches, a procédé aux saisies des chalutiers chinois qui pêchaient illégalement dans nos eaux territoriales.

Ceci est déjà un bon point pour la protection de nos richesses maritimes, mais avec nos 5 600 km de côtes, sans oublier nos rivières et fleuves, où en est-on dans le domaine de la pisciculture ? Qu’elle soit marine (mer) ou continentale (eau douce) ?

Depuis presque 30 ans, un opérateur économique d’origine indo-pakistanaise fait de l’aquaculture sur la côte nord ouest de notre île (Mahajamba) et ce sur 20 km de long.

Portant la nationalité française, cet homme d’affaires a fait sa fortune dans l’élevage d’une variété de crevettes, les gambas.

Publié dans Editorial

Tetikasa vaovao santarina eto Madagasikara ity Fishery Improvement Project (FIP) ity, hanatsarana ny jono ORITA (poulpe). Tsy misy antotanisa mazava mikasika ny vokatra na ny filan’ny tsena anatiny na dia efa aman-taonany maro aza ity lalampihariana ity no trandrahan’ny Malagasy, na ny mpanjono, mpanangombokatra ary ny mpanondrana.

Ny hampaharitra ity jono ORITA ity indrindra no antom-pisian’ny tetikasa FIP, ary misy ny komity natsangana, ahitana ireo mpisehatra rehetra, hanara-maso ny ezaka atao hanatsarana sy hampaharitra ity lalampihariana ity.

Publié dans Sociale

Malaza amin’ny famokarana menaka manitra na « huile essentielle » i Nosy-Be amin’ny fananany ny zavamaniry Ylang Ylang. Misy 450 ny fatana na « alambic » fitenehana ahazoana « huile essentielle ». Nitsidika ny sasany tamin’ireo ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asatanana Rakotomalala Lantosoa.

Mpandraharaha miisa 11 no manondrana ny vokatra any ivelany. Olana sedraina amin’izao ny firongatry ny halatra vokatry ny tsy fandriampahalemana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Namoaka didy (Arrêt n°20-HCC/AR) ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC), ny 22 martsa 2019, taorian’ny fitoriana nataon’i Andrianony Cyrille Damien François, “mandataire”-n’ny « Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina » tamin’ny 19 martsa 2019 mangataka ny hanoloana ny kandidany ato Ambatondrazaka amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao tamin’ny 27 mey 2019.

Publié dans Vaovao

Hosantarina eto Toamasina ny fanapariahana ireo vary mora ampahany amin’ny 16 500 taonina tonga tamin’ny 16 martsa, ary haparitaka any amin’ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.

Hamidy arivo Ariary (1000 Ar) ny kilao. Ferana ho telo (3) kilao ny vary mora hamidy ho an’ny tokatrano iray, ary indroa isan-kerinandro eny anivon’ny Fokontany.

Amin’ny alalan’ny kara-pokontany no ahafahana mividy ny vary mora. Ny fianakaviana sy sokajin’olona tena sahirana no hisitraka azy.

Publié dans Sociale

Nisafidy ny Distrikan’i Morafenobe ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD Vaovao nirotsahana hofidiana solombavambahoaka, raha tao Maintirano no nirotsahany farany sy nahavoafidy azy in-droa ary naha filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena azy.

Toerana solombavambahoaka iray no ifaninana ato Morafenobe. Miisa fito ny kandida neken’ny CENI hotsarain’ny vahoaka amin’ny latsabato izay hatao ny alatsinainy 27 mey 2019.

Voninahitsy Jean Eugène no mitarika ny lisitra, Pelops Ariane vady andefomandriny kosa no kandida mpisolotoerana azy. Efa solombavambahoakan’i Morafenobe i Pelops Ariane.

Publié dans Politique

Handany lalàna, handinika sy handany tetibolam-panjakana, manaramaso ny asan’ny governemanta sy ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Anisan’ireo asa aman’andraikitra sahanin’ny solombavambahoaka io, araka ny voalazan’ny andininy faha-68 ao amin’ny Lalampanorenana malagasy.

Tsy ankiandriandry fa amperin’asa avy hatrany i Irmah Naharimamy. Nanara-maso ny fanombohan’ny asa fanamboaran-dalàna sy fanadiovana ireo tata-drano eto Toamasina izy, asa izay nisy fampanantenana nataony fony mbola tao anaty governemanta, minisitry ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Ny sasany kosa tohin'ny fidinana ifotony nataon’ny filoha Andry Rajoelina teto Toamasina tamin’ny alahady sy alatsinainy 18 martsa lasa teo.

Publié dans Politique

Vita omaly misandratrandro ny fisarihana (tirage au sort) nandaharana ireo kandida solombavambahoaka ato Tsihombe ao anaty bileta tokana hampiasaina amin’ny andron’ny latsabato ny alatsinainy 27 mey 2019.

Kandida telo amin’izy enina nankatoavin’ny CENI hifaninana no tonga nanatrika ny fisarihana. Nampanarahina ny laharana tamin’ny fanaterana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ny fisarihana, ka i Masy Goulamaly no nisarika voalohany. Ny laharana faha-6 no voasarika avy ao anaty vata, ary io izany no ho laharany ao anaty bileta tokana. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
samedi, 23 mars 2019 18:09

23 mars

Journée Mondiale de la Météorologie.

 

Publié dans Fil info