Filtrer les éléments par date : lundi, 18 mars 2019
lundi, 18 mars 2019 22:56

Une vraie politique du riz

L’arrivée ce week-end du “vary mora” soulève beaucoup de questions, même si la communication que l’on fait autour semble donner un bon point pour l’administration Rajoelina. En effet le Président de la République a tenu lui-même à honorer de sa présence l’arrivée à quai des 16 500 tonnes en provenance du sous-continent indien, de Karachi (Pakistan) plus exactement.

Selon les chiffres, les Malagasy consomment 12 000 tonnes par jour, donc ce « vary mora » sera consommé en moins d‘un jour et ½.

Mais on n’est pas là pour critiquer car Andry Rajoelina n’est pas le 1er Chef d’Etat malagasyà faire importer du riz, de Didier Ratsiraka en passant par Zafy Albert , Marc Ravalomanana et Hery Rajaonarimampianina, l’importation de riz est devenue une « tradition commerciale » qui nous fait perdre des devises (dollars/Euros) chaque année.

A titre de rappel le gap rizicole entre production et consommation est aux alentours de 400 000 tonnes/an, ce qui nous coûte assez cher.

Publié dans Editorial

Tsy manjono intsony ireo sambo sinoa miisa enina izay miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toliara. Efa an-tanety avokoa ireo tantsambo ary mitohy ny fanagiazana ataon’ny Foibe mpanara-mason’ny Jono mahakasika ireo fitaovam-panjonoana.

Manara-maso akaiky ireo sambo ireo ny Ministeran’ny fambolena, fiompina ary ny jono, hoy ny minisitra Ranarivelo Lucien.

Ny 22 febroary 2019 no nanjono farany ireo sambo ireo. Naato taorian’izay ny asan’izy ireo noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny fepetra izay napetraka tamin’ny fifanarahana izay nosoniavina tamin’ny taona 2017.

Publié dans Economie

Telo ny kandida hifaninana ho solombavambahoaka eto Betioky-Atsimo, avy amin’ny antoko ny roa, tsy miankina ny fahatelo.

Ramanjakamiadana Hery Jacques no natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), hifaninana amin’ny depiote teo aloha Rabenirina Jean Jacques, narotsaky ny vovonana Isika miaraka amin’i Andry Rajoelina.

Nandeha ankehitriny ny feo fa nisy ny tsindry mba hanilihana ireo kandida ivelan’ny fitondrana, rahampitso talata 19 martsa, mandritra ny famoahan’ny CENI ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra no ahafantarana izany.

 

Publié dans Tselatra

Miampy Vondron’antoko 11 ireo antoko 213 mijoro ara-dalàna ireo, raha ny lisitra nalefan’ny Ministeran’ny Ati-tany eny amin’ny CENI, araka ny fanazavan’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitr’ity Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ity, raha nivahiny tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy ny alin’ny alahady 17 martsa 2019 izy.

 

Publié dans Tselatra

Nampihetsi-po ny fihetsika feno fanajana sy fanomezam-boninahitra nandraisan'i Vakinankaratra ny nofo mangatsiakan'i Manandafy Rakotonirina ny tolakandron'ny Alatsinainy 18 Martsa. Tamin'ny 3 ora sy sasany no tonga teto Antsirabe ny fiara nitondra ny Razana, notsenain'ny olona marobe : mpomba azy sy ireo mpiray antoko aminy sy ny tompon'andraikim-panjakana isan-tokony.

Teo ihany koa ireo avy tamin'ny K25 sy ireo kandidà ho solombavambahoaka, toy ny avy tamin'ny IRD na ny Mapar teo aloha izany.

Publié dans Politique

Lavo nandritra ny fifandonana tamin'ny dahalo ny 18 martsa 2019 tamin'ny roa ora sy sasany maraina tao Antsirasira, CR Betrandraka, Distrika Tsaratanana ny Gendarme Stagiaire Rakotomalala Dera Théogène, avy ao amin'ny EP3 FIGN Antananarivo.

Nandre vaovao mikasika dahalo mpangalatr'omby ny Zandary tao amin'ny Brigade Andriamena ka nandefa Zandary maromaro, izay mbola nampian'ireo avy amin'ny FIGN efa nalefa taloha any an-toerana. Teny an-dalana ho any Antsirasira izy ireo no nisy tifitra nanakan-dalana azy ka lavo Ratompokolahy raha voa teo amin'ny lohany.

Publié dans Tselatra

Mandritra ny valandresaka hataon’ny CENI etsy Nanisana-Antananarivo V, rahampitso talata 19 martsa, no hamoahan’ny CENI ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny alatsinainy 27 mey 2019.

Afaka manao fitarainana, ao anatin’ny 48 ora, any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ireo voahilika. Manana 24 ora ny HCC hamoahany fanapahana mikasika izany.

 

Publié dans Tselatra

Misy amin’ireo antotan-taratasin’ady sy fitoriana ireo no efa nanokafan'ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice) fanadihadiana, misy miandry ny fanapahan-kevitry ny Antenimiera-pirenena ny fanohizana ny famotorana noho ny voampanga izay mpitondra ambony amin’ny fanjakana.

 

Publié dans Tselatra

Mba hialana amin’ireo trano hazo izay mora mirehitra, izay mpitranga matetika, dia nanapa-kevitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa hosoloina ireo trano hazo, ary atao trano biriky, etsy amin'ny mpivarotra solomaso Andravoahangy.

Miisa 153 ny isan'izy ireo, ary hatao mitovy avokoa ny trano fivarotana, ka ireo mpivarotra ihany no miantoka ny fananganana azy, fa ny Kaominina kosa no manara-maso ny fananganana ny foto-drafitrasa, ary manome toerana vonjimaika ho an'ireo mpivarotra.

Nanomboka androany 18 martsa 2019 ny fandravana, ary haharitra iray volana eo ny asa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Mitohy ny asa ho an-dramatoa Masy Goulamaly Marie Jeanne d'Arc, ary efa nahitam-bokatra izany. Tamin’iny taom-piasan’ny solombavambahoaka farany iny no nanaovany fangatahana mba hananan’i Tsihombe lycée fianarana asa, nanampiana ireo tanora izay tsy afaka manohy ny fianarany any amin'ny Oniversite.

Hitohy izany fanampiana ny tanora izany, hoy i Masy Goulamaly amin'izao firotsahany hofidiana depiote izao indray, ka hiitatra manerana ny Disitrika izany, ary hifantoka bebe kokoa amin’ny sehatry ny fambolena, fiompiana ary ny jono amin’ny alalan’ny fikambanana.

Publié dans Politique
Page 1 sur 2