Filtrer les éléments par date : dimanche, 17 mars 2019

Araky ny hitatsika amin'ny sary eto, ny faritra miloko mena dia mihinam-bary fa tsy mahavelon-tena ara-bary. Betsaka noho ny vary voleny ny vary hoaniny.

Ireo faritra miloko mavo no manana ambim-bokatra omeny ireo faritra mena.

4 millions tonnes ny filan'ny Malagasy rehetra vary isan-taona. Tsy ampy 400 000 tonnes eo isan-taona.

Izany hoe mihinam-bary 12 000 tonnes isan'andro izany isika.

Lanintsika indray andro sy tapany izany ny vary mora 16 500 tonnes nafarana.

Publié dans Sociale

Fiara mpitatitra manao zotra Antananarivo-Mananjary no tra-doza, nivarina an-kady androany tamin'ny 4ora maraina rehefa nilaozan'ny hisatra teo ampidinana ao Ambatolahy amin'ny lalam-pirenena faha-25, miazo an'i Ranomafana-Ifanadiana.

Mpandeha roa maty tsy tra-drano, ka anisan'izany ny Ben'ny Tanàna Fiadanana ao amin'ny Distrika Nosy-Varika, 18 hafa naratra, ka ny efatra tsy dia misy ahiana ny amin'izy ireo, tsaboina ao Ranomafana, ny 14 kosa nalefa ao amin'ny hopitaly eo an-drenivohitry ny Distrika Ifanadiana.

 

Publié dans Tselatra

Omaly sabotsy tolakandro no niantsona eto amin'ny seranantsambon'i Toamasina ny sambo mitondra vary mora milanja 16 500 taonina avy any Karachi-Pakistan.

Ampidinina eto Toamasina, atoby ao amin'ny seranantsambo ny 10 000 taonina, halefa any Toliara kosa ny 6 500 taonina ambiny.

Fampanatenana nataon'ny filoha Andry Rajoelina ny hahatongavan'ny vary mora hanalefahana ny fiantraikan'ny fiakaran'ny vidim-bary eny an-tsena amin'ny fiainan'ny isan-tokantrano.

Raha tsy misy ny fiovana dia ho avy aty Toamasina hijery ny fahatongavan'ireto vary mora ireto ny tenany anio alahady tolakandro.

 

 

Publié dans Tselatra

Manandafy Rakotonirina nous a quitté à 81 ans après une vie politique très engagée durant 47 ans. Ce natif de Fandriana, formé exclusivement à l’Université de Madagascar (Ankatso) a été, avant tout, un intellectuel et professeur de sociologie connu pour son franc parler.

Il se distingua très vite comme un patriote dur, voire à l’extrême pour les politiciens de l’époque dont beaucoup sont encore marqués par les évènements de 1947, et l’échec des revendications patriotiques.

Certainement, pour cette raison qu’il adhéra au parti MONIMA de feu Monja Jaona qui a déclenché le mouvement d’Avril 71 dans le sud de l’île qui a fini par de nombreux morts et des emprisonnements.

Si ce mouvement a été encore une fois de plus un échec, il annonça le début de la fin pour la République Malgache du regretté Philibert Tsiranana, vécue comme une forme de « néo-colonialisme ».

Publié dans Editorial
dimanche, 17 mars 2019 14:46

Sambava: Goragora ny fifamoivoizina

Nitsidika tany SAVA ny Tale jeneralin’ny ATT (Agence des Transports Terrestre) Reribake Jeannot nihaona tamin'ireo rehetra voakasiky ny fifamoivoizina, satria be loatra ny lesoka sy ny tsy fanarahan-dalana ka tsy maintsy arindra sy hatsaraina ny kalitao ary ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly.

Hapetraka avy hatrany eto Sambava ny CMC (Comité Mixte de Contrôle) hanamafisana ny fisavana, ary hapetraka ihany koa ny komity hitantana ny « Gare Routière » rehetra ato amin'ny faritra.

Norarana ireo taxi-ville (Bajaj) tsy manana taratasy mba tsy hiasa na hitondra olona.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nahoraka tamin’ny tambazotra serasera sosialy facebook nanomboka ny sabotsy 16 martsa 2019 fa nivoaka ny fonja i Alain Ramaroson. Tsy izay aloha no nitranga, mbola natory tao Antanimora izy ny alin’io.

Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fiainakaviany dia efa niomana ny hamita manontolo ny saziny ao am-ponja i Alain Ramaroson. Tsy nitaky ny hamoahana azy.

Tamin’ny 3 aogositra 2016 no nampidirana am-ponja vonjimaika an’ity filoha mpanorina ny antoko Masters ity. Raharaha roa makasika tany no nanenjehana azy.

Publié dans Politique
dimanche, 17 mars 2019 11:47

17 mars 2009-17 mars 2019

17 mars 2009-17 mars 2019: Il y a 10 ans, Marc Ravalomanana confiait le pouvoir à un Directoire militaire

Voilà maintenant 10 ans, Marc Ravalomanana, alors président de la République de Madagascar confiait le pouvoir à un Directoire militaire. Ce dernier l’a passé au jeune maire d’Antananarivo Andry Rajoelina à la suite d’une situation explosive et confuse à l’Épiscopat Catholique à Antanimena - Antananarivo.

 

 

Publié dans Fil info
dimanche, 17 mars 2019 11:44

Finoana Katolika: Inona ny Konfesy?

Amin'ny finoana Katolika, dia anisan'ireo Sakramenta 7 ny Fampihavanana izay singa iray ao anatiny ny Konfesy (Confession)

Ireo Sakramenta Fito:

- Ny Batemy (Baptême)
- Ny Eokaristia (Eucharistie)
- Ny Fankaherezana (Confirmation)
- Ny Fampihavanana (Sacrement de réconciliation, appelé aussi sacrement de pénitence)
- Ny Fanosorana ny marary (Onction des malades, appelée aussi sacrement des malades, anciennement extrême-onction)
- Ny Fanambadiana Kristianina (Mariage)
- Ny Filaharana (Ordination, fanamasinana Pretra sy Relijiozy)

Ny Sakramentan'ny Fampihavanana izany, dia fandinihan-tena aloha, sy ny zavatra tsy nety rehetra natao, examen de conscience. Fieken-tena fa diso na teo anatrehan'ny tena, na teo amin'ny olon-kafa na teo amin'ny fiarahamonina.

Publié dans Sociale