Filtrer les éléments par date : jeudi, 05 décembre 2019

Nahatsiaro latsa-danja ny fomba hitantanana ny fitsarana ny fifidianana ireto mpirakidraharaha eo anivon'ny fitsarana, izay misahana ny fikirakirana ny vokam-pifidianana kaominaly, natao ny 27 novambra lasa teo.

Raha ny fantatratra dia tsy misy ampahafolon'ny tambi-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpirakidraharaha, nefa samy manao ny asa fikirakirana ny fifidianana.

Tsy mihambo hitovy amin'ireo mpitsara akory izahay hoy hatrany ireto mpirakidraharaha ireto, fa mba tsy rariny kosa ny elanelana misy amin'ny fitondrana anay.

Publié dans Vaovao

Notontosaina tetsy amin’ny tranom-bokimpirenena Anosy ny fampirantiana ny asa soratr’i Brench Mbolamasoandro

Ka ny hevitra navoitra tamin’izany moa dia ny hoe ”Izao rehetra izao”, izay anehoana ireo sangan’asa maro samyihafa nodiavina tamin’izay lalan’ny sehatry ny kanto izay.

Maro ireo sangan’asa izay nampirantiana tao, toy ny asa soratra, ny akanjo, ny hosodoko; anisan’ny mampivoatra ny fifaneraserana amin’ny olona ny asa soratra hoy ramatoa Brench Mbolamasoandro raha nanome ohatra izy ny hoe “olona izay tsy nifanerasera nandritry ny taona maro, kanefa dia nampihaon’ny asa soratra“, ary anisan’ny hery lehibe ny hetsika toy izao mba ahampafantarana ireo kanto rehetra aseho amin’ny olona mpankafy, ary sarotra ny lalana nodiavina vao mahavita hetsika anakiray.

Publié dans Art et Culture

Isaky ny roa taona ny « Fondation Air France » dia manome loka fankasitrahana ireo fikambanana mandray an-tanana ireo ankizy tsy salama, manana fahasembanana na tra-pahasahiranana lalina. Tamin’ity taona ity, dia mompera Pedro OPEKA sy ny « Akamasoa » no voasafidin’ny « Fondation Air France » nahazo fankasitrahana.

Tao amin’ny mozea Musée quai Branly ao Parisy renivohitr’i Frantsa no natao ny lanonana nanoloran-dRtoa Anne Rigail, filohan’ny « Fondation Air France » ny loka tamin’ny mompera Pedro. Nanome voninahitra izany Rtoa Brigitte Macron, vadin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron.

Folo taona amin’ity 2019 izao ny « Fondation Air France ». 30 taona nandraisana an-tanana ireo olona sahirana sy nampivoatra ny fiainan’izy ireo kosa ny « Akamasoa » eny Andralanitra, naorin’ny mompera Pedro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Mitaraina ny mponina eto Ambohimiandrisoa, Kaominina ambonivohitra Antsirabe, Faritra Vakinankaratra noho ny loto sy ny fako miavosa. Ahiana ny valanaretina !

 

Publié dans Tselatra

5 décembre: Journée Mondiale de l'égalité des chances.

 

Publié dans Fil info
jeudi, 05 décembre 2019 14:13

5 décembre: Journée mondiale des sols

5 décembre: Journée mondiale des sols.

 

Publié dans Fil info

5 décembre: Journée mondiale du bénévolat.

 

Publié dans Fil info

Nisesy ny vono olona miaro halatra tato amin’ny Distrikan’Ankazoabo tato ho ato. Ny alatsinainy teo tao Ambalamarina, dia tovolahy iray 18 taona no maty nisy namono, ary noloarana ny voamasony roa. Lehilahy iray ihany koa no maty nisy namono tao Ampandramitsetaky, Kaominina Tandrano. Tranga toy izany koa no niseho tao Morahariva, Kaominina Berenty.

Miantso vonjy amin’ny manampahefana ihany koa ny aty an-toerana manoloana ny firongatry ny vaky fasana tato ho ato. Hatreto tsy misy voasambotra ireo navanon-doza.

 

Publié dans Tselatra

Voafidy omaly ireo depiote solontenan’ny Antenimieram-pirenena ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo na « Haute Cour de Justice ».

Voafidy ho mpikambana raikitra i Idealiso izay, solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana, sy Rivotiana Richard Jean Bosco izay solombavambahoaka voafidy tao Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony.

Voafidy ho mpikambana mpisolotoerana i Mamizara Yasmirah Loeticia izay solombavambahoaka voafidy tao Besalampy, Faritra Melaky, sy Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina na Anyah izay solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo III.

 

Publié dans Politique
jeudi, 05 décembre 2019 10:08

Météo: Situation 05 décembre 2019

Météo: Situation 05 décembre 2019

(Photo satellite 05 décembre 2019 à 8h)

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2