Filtrer les éléments par date : mardi, 14 août 2018

Ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Anosibe an’Ala ny 14 amin’ireo Foibem-panadinana tsy afaka nanatanteraka fanadinana CEPE androany, ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Sambava ny iray.

Hanokatra fanadihadiana ny anton’izany ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena araka ny fanambarana nataony androany.

 

Publié dans Tselatra

Ratsietison Jean-Jacques Jedidia (Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI-MA)) no kandida faha-10 tonga nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hotanterahina ny 7 novambra 2018. Androany tolakandro izy no tonga teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) Ambohidahy-Antananarivo nametraka izany.

 

Publié dans Tselatra

Tokony nitatao vovonana teo dia nirodana tampoka ny tetezana avo tamin'ny autoroute na Viaduc tao Gênes Italie, ka dia nilatsaka tany ambany avokoa ireo fiara 20 mahery nifamezivezy tamin'io tetezana avo be io. Nisy lalamby ihany koa tao ambany tao, ka dia tototra tao ihany koa.

Olona 30 no namoy ny ainy tamin'izany.
Tombanana hatreto fa ny fipoahan'ny varatra tamin'ny tongotr'ity tetezana ity no nahatonga ny loza, na dia efa tany amin'ny taona 1960 aza ny nahavitan'ity fotodrafitrasa lehibe ity.

 

 

Publié dans Tselatra

La requête de Rabemanantsoa Jeannot Williams aux fins d’annulation de l’élection présidentielle du 07 novembre 2018 est déclarée irrecevable par la Haute Cour Constitutionnelle dans sa Décision n° 24-HCC/D3 rendue ce 14 août 2018.

 

Publié dans Fil info

Mpampianatra iray amin’ny sekoly tsy miankina tao amin’ny foibem-panadinana Andrebona no voatery nasiana rojovy fa nandray fanapahan-kevitra tsy handray anjara tamin’ny fikirakirana ny fanadinana CEPE androany.

Hitondra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ny avy amin’ny Sempama Nosy hoy Atoa Christophe manoloana ity tranga ity.

Nanohy ny fitokonany teny amin’ny Lycée Mixte Soavinandriana - Sambava ny Sempama Nosy androany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Niditra hopital tampoka tao amin’ny CHRR Besopaka i Totozara Théogène, Adjoint Commissaire de Police eto Sambava noho ny aretina nahazo azy. Ny tolakandro tamin’ny 2ora 30 anefa no tsy tana intsony ny ainy na nanao izay ho afany aza ny mpitsabo.

Nivahiny 59 taona teto an-tany izy izao nodimandry izao.

Ny razana dia ho andrasana eny an-tranony Andranodobona Sambava.

 

 

Publié dans Tselatra

Nahemotra rahampitso alarobia 15 aogositra 2018 ny Fanadinana CEPE/6ème ao amin'ny foibem-panadinana Anjagnoveratra noho ny tsy fisian'ny mpampianatra nanantotosa ny fanadinana.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 14 août 2018 14:35

CENI: Manatontosa atrik'asa

Hifarana androany ny atrik'asa tanterahin'ny eo anivon'ny CENI izay naharitra roa andro.

Izy ity moa dia atrik'asa izay ataon'ny SPRC na ny Secrétaires Permanents Régionaux de la CENI izay notarihin'ny filohan'ny CENI.
Fiaraha-miasa izay niarahana tamin'ny EISA.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Politique

Feno kamiao be mijanona amin’ny sisiny ankavia sy ankavanana amin’ny lalam-pirenena faha-2, saika isan-kariva sy alina, miandry lera fidirana an’Antananarivo. Manelingelina ary matetika aza mitohana maharitra ny fifamoivoizana noho ny hateren’ny lalana.

Mitaraina ireo mpampiasa iny lalam-pirenena faha-2 iny manoloana izany, noho ny loza mitatao fa eo koa ny fahaverezam-potoana.

 

 

Publié dans Tselatra

Mpiadina miisa 6 avy amin’ny SEMAMA na Sekoly Mampiaty Mahajanga, manana olana ara-pihainoana no miatrika ny fanadinam-panjakana CEPE eny amin’ ny EPP Fiofio. Tsy nanana mpiadina jamba ny sekoly tamin’ity taona ity. Efa tsara fiomanana izy 6 mianadahy ireto nialoha ny fanadinana.

Nitombo isa ny ray aman-dreny nanatitra ny zanany hiatrika ny fanadinana noho ny tahotra amin’ny mety hisian’ny korontana, niakatra ny tahan’ny ankizy tsy tonga nanao fanadianana kanefa voasoratra anarana ho mpiadiana amin’ ity CEPE 2017-2018 ity.

Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana na Cisco Mahajanga voalohany dia mitontaly 5558 ny kandida voasoratra anarana, izay mitsinjara amina efitrano fanadinana miisa 128.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 3