Filtrer les éléments par date : vendredi, 13 juillet 2018

SALAMA, la Centrale d’Achats de Médicaments Essentiels et de Matériel Médical, est désormais installée à Anosiala, dans le District d’Ambohidratrimo. Le siège et les entrepôts ont été inaugurés ce 13 juillet, dans la matinée, par le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina en présence des ambassadeurs de l’Union Européenne et de la France.

Le bâtiment administratif et les entrepôts de SALAMA s’étendent sur 16.000 m², soit 1758 m² de bureaux administratifs et 6660 m² d’entrepôts. Les travaux ont débuté en février 2017 et ont duré 18 mois, employant un millier de personnes.

Publié dans Sociale
vendredi, 13 juillet 2018 19:37

Betsiboka: "zéro indemnité = zéro examen"

Niakatra ny hatezeran'ireo mpanabe aty amin'ny Faritra Betsiboka ka nanakatona ny biraon'ny DREN sy CISCO ary niafara tamin'ny fampikatsoana ny adina fanatanjahantena Bacc, izay saika natao omaly. Tsy tanteraka izany adina izany satria manizingizina ireo Mpanabe fa "zéro indemnité = zéro examen".

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tomefy Betsileo sy Antesaka ny tanànan'i Vangaindrano androany maraina hanamafy ny fihavanana na ny ziva.

Tanteraka androany ny fametrahana ny Vatolahy marik'izany fizivana izany, izay misy soratra hoe "Roso toy tsa mipody koa" sy ny hoe : "Da to andra, aoka"

Hatramin'ny 15 jolay izao moa no hanaovana ity hetsika ity ary tsy hijanona eo fa santatra ihany ity.

(Jereo Tohiny Sary : Red Randrianarijaona)

 

Publié dans Art et Culture

Tonga aty Toamasina ny tompon’andraikitra nasionaly ny SNAIM (Syndicat National des Agents des Impots de Madagascar). Efa ho telo volana izao no naharetan’ny fitokonan’ireo mpiasa eo anivon’ny hetra manerana ny Nosy, ao anatin’izany ny mpiasan’ny hetra eto Toamasina.

Misy marary ao amin’ny Direction régionale des Impots nefa mahatsiaro ireo mpiasa fa tsy mety mihaino azy ireo ny Fanjakana izay tokony hamaha ny olana.

Ny zava-doza dia ahiana hiady an-trano ireo mpiasa satria misy ny faneriterena sy antsojay amin’ireo fitakiana atao.

Publié dans Economie

Gaboraraka sy anjakazakan’ireo tranombarotra vaventy mpamongady tanteraka ny lalan’i Mahazoarivo iny, ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana mihitsy izy ireo amin’izany.

Publié dans A la Une

Commandant Ramanoara Francky Daniel no Komandy vaovaon’ny Tobin’ny Sampana Mpamonjy Voina an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), manana ny foibe etsy Tsaralalàna. Izy no notendrena nasolo an’ny Commandant Rakotondrabe Jean Fidèle.

Nilaza ny Komandy vaovao fa nahatratra 1270 ny isan’ireo asam-pamonjena izay notanterahan’ny sampana mpamonjy voina nandritra ny taona 2017 ; amin’izao fotoana izao kosa dia efa tafiditra tanteraka amin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiavian’ny fahavaratra 2018-2019 izy ireo.

Publié dans Vaovao

Raikitra ny savorovoro omaly maraina fa tsy nahitana vahaolana teo amin’ny fahazoan-dalana mitovy ireo mpikarakara, hitondra ny mpanankato roa samihafa dia i Jean Aimé, andaniny, ary Barinjaka ny ankilany.

Ny avy amin’i Jean Aimé nilaza fa nahazo « autorisation » avy tamin’ny Fokontany sy ny Distrika, fa ny an’i Barinjaka kosa nahazo avy tamin’ny Benin’ny Tanàna.

Publié dans Vaovao

Sefo Fokontany roa eto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava renivohitry ny faritra Menabe, dia Avaradrova sy Morondava Centre no nesorina tamin’ny toerany rehefa tsy tonga namonjy fivoriana niantsoin’ny depiote voafidy teto an-toerana ny zoma lasa teo.

Voalaza fa namonjy an’i Dama tany Antananarivo, mpanakanto efa nanambara fa hirotsaka ho kandida filoham-pirenena, ireo Sefo Fokontany ireo no tsy nahatao Morondava azy.

Publié dans Tselatra
vendredi, 13 juillet 2018 16:06

Televiziona Malagasy: Hosoloina ny Tale ?

Misafotofoto anaty ao amin’ny Televiziona Malagasy foibe Anosy hatry ny omaly tamin’ny nielezan’ny feo fa dia hoesorina amin’ny toerany ny Tale amperinasa Razafimahefa Herinirina Lalao ary kasaina hosoloina ny Talem-paritra tao Fianarantsoa teo aloha, ary mpiandraikitra programa tao amin’ny foibe Anosy nialoha ny nandehanany nisotro ronono, Rtoa Léa Rachelle.

Raha ny loharanom-baovao dia efa tokony nandeha nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly io fanendrena io. Samy zanak’i Fianarantsoa na ny Tale amperinasa na ny Tale kasaina hapetraka, izay efa mampimenomenona ny mpiasa amin’ny ankapobeny sahady.

Publié dans Tselatra

Milahatra manaraka ny lalam-pirenena faha-7 milanja sorabaventy migrevy ny mpampianatra maro be.

Cisco zone nord ny soratra mivandravandra lanjain'izy ireo.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2