Filtrer les éléments par date : mercredi, 20 juin 2018

Notanterahana teny amin'ny kianjaben'ny Mahamasina io tolakandron'ny alarobia 20 jona io ny fampisehoana nataon'ny Foloalindahy, nahitana ny fandraisana anjaran'ny Tafika, ny teo anivon'ny Zandarimariam-pirenena ary ny polisim-pirenena.

Fampisehoana izay maneho ny fomba fiasan'izy ireo manoloana ny fanafihana mitam-piadiana.

Nampitolagaga ny maro ireo fihetsika samihafa nataon'izy ireo.

(Jereo sary Tohiny - Sary Manontolo Album)

 

Publié dans Sociale

Tapitra ny 48 ora nomen'ireo mpianatra ny mpitantana ny oniversiten'i Mahajanga taorian'ny fanambarana nataon'izy ireo tamin'ny haino aman-jery ny alatsinainy teo. Voasakana ny lalàna miditra ny campus izao maraina, tsy avelan'izy ireo ivezivezena.

Takian'ireto mpianatra ireto ny hamerenana ny fitantanana ny trano amin'ny fikambanana ara-pihaviana efa nijoro hatrizay, izay tsy neken'ny mpitantana ao amin'ny oniversité intsony ny hitantanan'izy ireo ny trano.

Publié dans Tselatra

Raha ny fikarohana rehetra nataon'ny OMNIS (Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques) sy ireo fikarohana marobe iraisam-pirenena ary ireo manam-pahaizana malagasy maro, dia mahatratra any amin'ny 1 500 milliards de barils any ny tahiri-tsolika misy eto Madagasikara.

Ao andrefan'i Madagasikara ny maro amin'ireo, na andranomasina ao amin'ny Canal de Madagascar, na Canal de Mozambique hoy isika, na an-tanety manaraka ny ilany andrefana rehetra, manomboka any avaratra, ka hatrany atsimo andrefana.

Nofaritana ho 200 blocs izy io, izany hoe natao toy ny carreaux anamora ny fitrandrahana sy ny famaritana azy ho an'ireo mpitrandraka. Ny 20 blocs ihany hatreto no misy asa fikarohana sy fitrandrahana.

Publié dans Editorial