Filtrer les éléments par date : vendredi, 30 novembre 2018

Ny maraina teo, tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany, no nahazo loharanom-baovao ny Polisy avy ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina eto Mahajanga fa misy mpivarotra rongony eny amin'ny fokontany Antanimasaja.

Natao ny vela-pandrika ka nahatratrarana ity tovolahy ity niaraka tamina rongony 89 fatorana.

Tato anatin'ny herinandro izay dia olona 3 no naiditra am-ponja noho ny resaka rongony teto Mahajanga tampon-tanana, ary mbola mitohy ny hetsika ataon'ny Polisy satria tena nirongatra ny fiparitahan'izany tato ho ato.

Natolotra ny Fampanoavana ny tolakandro teo ity tovolahy ity, ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nisy ny fitsenana makotroka azy tao Ambalamanasy omaly alakamisy, taorian'izay nisy ny fihaonany tamin'ireo mpikamban'ny MAMI na Malagasy Mifankatia efa najorony teo aloha ihany.

Hisy ny fihaonam-be ataon'izy ireo eny amoron-dranomasina rahampitso sabotsy, handray anjara ao ny mpikambana avy ao Menabe sy Alaotra-Mangoro ary Atsinanana.

"Tonga an-tanindrazana aho fa hanompana ny fiainako amin'ny asa sosialy sy ny asam-pikambanana MAMI", hoy i Jean Eddy Maminirina tao amin'ny La Famillle Salazamay tamin'io fihaonana tamin'ny mpikambana ny MAMI io.

Nitsabo tena tany ivelany noho ny aretina nahazo azy araka ny nambarany no nialany teto Madagasikara an-taonany vitsy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nisaotra ireo nifidy azy ny kandida Fanirisoa Ernaivo, ary nanamafy ny ady atao amin'ny kolikoly sy ny ady amin'ny fivarotana tanindrazana.

Nanentana ny rehetra izy hifidy ny Kandida N°25 Marc Ravalomanana, izay hitany mifanaraka amin'ny tanjona tiany hapetraka eto amin'ny Firenena.

Tsy tongatonga ho azy hoy hatrany izy no nitondrany ny laharana 24, tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany, fa ny ho eo anilan'ny laharana 25.

 

Publié dans Tselatra

Nanambara ity Kandida tafiditra laharahana faha 4 tamin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena, fihodinana voalohany, fa tsy anohana an'izy roa voalohany hiatrika ny fihodinana faharoa.

Miantso kosa an'izy ireo hanaiky izay vokatry ny fifidianana eo.

 

Publié dans Tselatra

Efa noresahitsika teto izy ity fa fampatsiahivana fotsiny.

Manana ny toerany lehibe ny omby eo amin'ny kolotsaina Malagasy. Fety, fahoriana, fanambadiana, fivavahana, fanompoana, sakafo, banky fitehirizam-bola...

Raha avo roa heny tamin'ny isan'ny mponina ny isan'ny omby 50 taona lasa, izao efa atsasaky ny isan'ny mponina sisa. 8 millions any sisa amin'ny 25 millions mponina.

Ny Malagasy dia tsy miompy omby ho anina, fa mikajy vola anaty omby noho ny tsy fisian'ny politika matotra momba ny banky.

Rehefa mila vola ny Malagasy vao mivarotra, ka tsy maharaka ny filan'ny mpihinan-kena ny omby amidy ho vonoina.

Publié dans Economie
vendredi, 30 novembre 2018 13:42

Kraoma: Vaky ny grevy

Kraoma: Vaky ny grevy, tsy mila ireo Rosianina ny mpiasa

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 30 novembre 2018 13:38

Ravalomanana: Mitety ny faritra Boeny

Omaly alakamisy dia nianavaratra ny Kandida Marc Ravalomanana:

Mahajanga
Namakia
Mahajamba
Antsohihy
Bemaneviky
Ambanja
Nosy Be
Sambava

Publié dans Tselatra
vendredi, 30 novembre 2018 12:11

Fandriam-pahalemana: Laharam-pahamehana tokoa

Hitako ireo famelabelarana natoan'i Zandry momba ny paikady tiany hapetraka, na resaka fampitaovana, na resaka ady amin'ny dahalo, na resaka omby.

Publié dans Editorial