Filtrer les éléments par date : jeudi, 29 novembre 2018

Lahatenin’andriamatoa Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, Jean-Eric Rakotoarisoa, nandritra ny fotoam-pitsarana ampahibemaso namoahana ny valim-pifidiana ofisialin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika

Publié dans A la Une

Tsy naheno ara-dalana ny voka-pifidianana ofisialy ny mponin’Ambatondrazaka noho ny fisian'ny delestazy tao anatin'ny fotoana namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny didim-pitsarana.

 

Publié dans Tselatra

Hotanterahina rahampitso zoma 30 novambra ny lanonana mahakasika izany, ho an'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 29 novembre 2018 15:24

Maintirano: Mampitaraina ny olona ny jiro

Tato anatin'ny roa herinandro izao no miafina anaty tsy fahampian'ny herinaratra ny eto an-drenivohitry ny faritra Melaky. Raha mba misy indray anefa dia ambany ny tanjany, tsy mahazaka ampandehanana vata fampangatsiahana akory. Ahiana hoy ny mpiasan'ny fahasalamana ny hahasimba ny vaksiny tehirizina. Mitaraina koa ireo mpivarotra sy ireo manao asa fihariana mampiasa herinaratra.

 

Publié dans Tselatra

Singa ilain'ny vatan'ny olombelona hisorohana aretina fivontosana toy ny goatra ny ioda. Misy hetsika tanterahina eo anoloan'ny Gara Fianarantsoa ho fanentanana ny olona ny fampitahana sira misy ioda, miaraka famelabelarana sy torohevitra ara-pahasalamana samihafa tamin'ity anio ity, mifanandrify indrindra amin'ny Andro natokan'ny Firenena Mikambana ho amin'ny fampiasana ny sira misy ioda.

 

Publié dans Tselatra

Olana ara-teknika teo amin'ny familiana no voalaza fa nitarika ny loza. Nitondra mpandeha hiazo an'Ambohijanaka ity taxi-be ity no izao tra-doza izao, maro ireo mpandeha tao anatiny naratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana asan-dahalo mitam-basy tao amin'ny Kaominina Marotsipoy ny herinandro lasa iny. Omby miisa 210 no lasan'ireo dahalo, naka takalonaina efa-mianaka izy ireo niaraka tamin'izay.

Nanao fanarahan-dia ny Fokonolona sy ny Miaramila avy amin'ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité). Tafaverina ireo omby fa nentin'ireo dahalo nanaraka azy kosa ireo takalonaina.

Niantso tohana sy.fanomezan-tanana ireo miaramilan'ny DAS. Niditra an-tsehatra nanampy ny namany ny Tafika manao fampandriantany, anatin'ny "opération Manda 2018".

Avotra ny marainan'ny talata teo ny telo tamin'ireo takalonaina, maty notifirin'ny dahalo ny fahaefatra izay efa zokiolona. Dahalo enin-dahy azo sambo-belona ary efa natolotra ny.Fitsarana. Mitohy ny fikarohana ireo namany.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 29 novembre 2018 13:05

SAVA: Tsy hita tabilao ianao eto ry Dada

Distrika nanjakan'i Hery Rajaonarimampianina ny teto SAVA, tsy hita tabilao ianao ry Dada fa nitsipona akotry latsaky ny 10%.

Marina fa mety vitsy ny isam-bato aty, fa asio ezaka io hanatsaranao ny endrika anaratsian'olona anao hoe tsy tia côtier, fa merina hatrany, tsy adim-poko no tiana resahina, fa misy ratra tsy mbola afaka tamin'ireny 2002 sy 2009 ireny. Mbola mipetraka ilay endrika hoe Bodo hatrany ny mpihira entinao, na ny hira faneva, dia kalokalo hoy zahay avaratra aty.

Hitako ny interview nataonao tao amin'ny Agence Ecofin, nisintona lesona ianao hoy ianao tamin'ny exil tany Afrique Atsimo, izay nahitanao izany ady teo amin'ny mainty sy fotsy izany. Nanantona an'i Zafy Albert ianao hoy ianao hametraka izany fampiraisam-pirenena sy tena fametrahana ny fampandrosoana isaky ny faritra. Mety izay no nanosika anao naka ny zanaka an-tranon'i Zafy, no sud-est rahateo ho mpandrindra ny fampielezan-kevitrao.

Tsara izay, fa mila ezaka be io, fa ataon'ny mpanao gazetin'i Zandry hirahira mihitsy hoe ianao tsy tia olona mainty.

Publié dans Politique
jeudi, 29 novembre 2018 12:21

Vakinankaratra: Voa mafy ianao ry Zandry

Anisan'ny be vato indrindra manerana ny Nosy i Vakinankaratra, ary malaza fa fief n'i Dada. Noravaravany mihitsy ianao manerana ny Distrika.

Mbola betsaka anefa ireo tsy tonga nifidy indrindra fa ny ao Antsirabe 1 sy 2, Betafo, Ambatolampy.
Antanifotsy nanao vato fotsy be indrindra, azo jerena.

Mahereza, ovaina kely ny resaka fa ny olona any terre à terre, tsy dia tia resaka cinéma sy bling bling.

Tsy misorona.
Patrick 

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
jeudi, 29 novembre 2018 12:19

QG: Tandremo miady an-trano

Rehefa 2ème tour ohatran'io dia miazakazaka daholo ireo olona nanohana ny kandida resy rehetra manantona ireo kandida tafiakatra.

Misy kosa ireo Kandida mihitsy no miantso, indrindra fa ireo kandida resy mba hanohana azy.

Tsy latsadanja koa etsy ankilany ireo Député, na ireo te hilatsaka Député, na te hanao maire, no misaringotra amin'ny kandida, sitrany ahay ahazo financement hoe anaovana propagandy ilay kandida, fa ny tanjony mba hitety tanàna anomanany ny azy ihany koa.

Vaky saritaka eo ny QG rehetra, satria maro ireo mpikatroka efa namono tena tamin'ny 1er tour, izay sady tsy nahazo ininona fa miasa jamba rafozana eo fotsiny. Miakatra eo ny fimonomononana, hoe olona adve tery ve no hiseho anivatsiva sy hiseho hitarika eto.

Publié dans Editorial
Page 1 sur 2