Filtrer les éléments par date : mardi, 27 novembre 2018
mardi, 27 novembre 2018 22:48

Conscience ou sous pression

Dans quelques heures, la Haute Cour Constitutionnelle (HCC) rendra son verdict sur les résultats du 1er tour des élections présidentielles du 7 novembre dernier.

Publié dans A la Une

24 ora taorian'ny nanavotan'ny Zandary an'i Arman Kamis teo ampelan-tanan'ireo mpaka ankeriny azy dia nanaiky nitafa tamin'ny mpanao gazety ity mpandraharaha tompon'ny Transfy ity, nilazany ny nanjo azy sy niaretany taorian'ny fitoriana ireo mpaka an-keriny azy teo anivon'ny sampana heloka be vava eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena Toamasina.

Nambaran'i Arman Kamis fa dimy lahy nirongo basy no naka an-keriny azy tao Ampasimazava ny tolakandron'ny alarobia 21 novambra teo.

in-droa nafindra fiara izy nialoha ny nanagiazana azy tao amin'ny trano be iray tao Tsararivotra.

Nofatorana tongotra aman-tanana mba tsy ho afaka hitsoaka sy hihetsika firy.

Publié dans Vaovao
mardi, 27 novembre 2018 22:24

Roland Ratsiraka: Haka sasatra ara-politika

Nandritra ny fihaonan'ity kandida laharana faha-33 tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, natao ny 7 novambra ity, tamin'ireo mpiara-dia aminy eo anivon'ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) ny alarobia 21 novambra, tao an-tranony teto Toamasina no nanambarany fa hiala sasatra amin'ny fanaovana politika ny tenany taorian'ny vokatra azony.

Nangataka azy mba hiverenany ifotony amin'ny fanamafisana ny antoko MTS sy amin'ny fifidianana ifotony kosa ireo mpomba azy.

Publié dans Tselatra
mardi, 27 novembre 2018 15:31

Zanak'Avaratra : Manohana an'i 25

Eo ampiandrasana ny valin'ny fifidianana izay ataon'ny HCC rahampitso alarobia 28 novambra amin'ny 10 ora maraina, dia samy manao fanambarana tsikelikely ireo antoko politika sy fikambanana samihafa.

Nanao fanbarana ny fikambanana Zanak'Avaratra, Papa Soule, fa manohana tsy misy fepetra ny kandida N°25 Marc Ravalomanana amin'ny fihodinana faharoa, izay atao ny 19 desambra, raha mandeha arak'izay ny fanapahan'ny HCC.

 
Publié dans Tselatra

Disadisan’ny mpivady no nitarika ho amin’izao famonoan-tena izao. Nisaraka izy roa. Niezaka namerina an-dramatoa rangahy vadiny saingy tsy nety itsy voalohany. Nentin’ny famoizam-po rangahy ka nofaohiny nanaraka azy ny zazalahikely, 4 taona, zanak’izy roa.

Nandeha tamin’ny toerana mangingina, tanimbary, izy mianaka. Notondrahan-drangahy lasantsy, efa nomaniny, ny vatany sy ny an’ilay zaza avy eo dia nandoro tena fa izay no vahaolana hitany farany. Maty tsy tra-drano izy mianaka.

Tao Ambohidadabo, Kaominina Ankofa, Distrikan’i Maroantsetra no nisehoan’ity tranga ity omaly alatsinainy 26 novambra tokony tamin’ny valo ora maraina.

 
Publié dans Tselatra

Misy groupe ao amin'ny FB hoe "Torohevitra momba ny Fahasalamana"

Misy 600 000 membres latsaka kely izy io. Miarahaba manokana izay namorona azy sy ireo admin ao.

Maro tokoa ireo torohevitra ara-pahasalamana ao, misy koa ireo commentaire tsy misalasala mizara ireo traikefany.

Matetika dia fitsaboana natoraly no betsaka ao.

Mila mitandrina koa anefa fa tsy mahasolo dokotera ireny torohevitra ireny, satria misy ny aretina mety mitovy tranga ivelany, nefa samihafa ny tena marary.

Tiako sarihina kosa ny mpitondra, na ireo dokotera mpikaroka mba anome lanja ny fahaizantsika Malagasy.
Nahoana moa no ampiasa fanafody vazaha foana nefa ny fanafody Gasy tsara sy mora.
Iza no andà ny fahaizan'ny Gasy fanafody may, fanafody tapaka, fanafody kaikitra biby, rora fotsiny, na hotra.
Maninona izy ireny tsy ampiana, hitadiavana fomba ampandrosoana azy.

Publié dans Editorial

Rehefa nogeazan'ny tafika rosianina ny sambo mpiady telon'ny Okreanina, miaraka amin'ireo tatsambo 24 tamin'ny alahady teo, raha niditra ny faridranomasina rosianina ireto sambo mpiady ireto, dia nametraka ny loi martiale ny Okrenina amin'ny faritra mifanila amin'ny Rosianina mba ahafahana miaro tena hoy ny filohan'ny Okrena. Maro ireo Okreanina mitaky ny hamaliana ara-tafika ny Rosianina.

Nivory ny Filankevitry ny fandriam-pahalemana ONU, samy manameloka izao fanagejana ataon'ny Rosianina izao ka mitaky ny amotsorana ireo sambo sy tatsambo miaraka aminy izao.

Ny Rosianina moa manamafy fa zony feno ny manasazy izay mandika ny lalàna rosianina.

 

 

Publié dans Tselatra

Nisy vehivavy tsy salama ka nentina taty amin’ny CHRR Besopaka mba handalo fitsaboana, saingy efa tsy misy hevitra intsony, ary alefa hody. Nony tonga teo Androkaroka, Kaominina Anjagnoveratra anefa dia izao niharan-doza izao ny fiara, nivarina an-kady.

Efa any Ampanafena ny razana izay nentin’ity fiara mpitatitra marary ity, naratra kosa ny mpamily. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Tselatra