Filtrer les éléments par date : samedi, 24 novembre 2018
samedi, 24 novembre 2018 20:10

Paris : Midonaka ny Champs Élysées

Nanomboka tamin'ny herin'andro ity no nanao fihetsiketsehina ireo Frantsay manerana ny Frantsa manohitra ny fidangan'ny vidin-dasantsy. Nihitatra tamin'ny fitakiana ny fidinan'ny vidim-piainana mihitsy.

Nanao akanjo mavo gilet jaune izy ireo.

Nifamontoana tao Paris izy ireo androany. Nihazo ny Champs Élysées, fa dia nifanehitra tamin'ny mpitandro filaminana.

Raikitra ny sakoroka sy ny baomba mandatsa-dranomaso. Mirehitra ny dabapako sy fivarotana sasany.

Mihidy avokoa ny mpivarotra ary samy tsy mihemotra ny roa tonta.

30 no voasambotra.

 
Publié dans Tselatra

Napetraka tamin'ny fomba ofisialy eto amin’ny Laboratoire CHRR Besopaka Sambava ity milina iray, izay natokana hitiliana ny aretina tuberculose ity, ka ny teknisiana avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no tonga nametraka izany.

Ao anatin’ny adiny 1 sy 50mn iasan'ity milina ity dia efa afaka mamoaka ny vokatra ny fitiliana izay tsy diso mihitsy fa na misy tuberculose ilay olona na tsia.

Manomboka izao dia tsy hiala aty amin'ny Faritra SAVA intsony ireo izay marary.

Publié dans Vaovao

Sendra nihanika lodsia ity ankizilahy ity ny alarobia 21 novambra 2018 teo iny dia mba naniraka ny zandriny mba halaina sary nefa tampoka tamin’izay nikoroso ary dia nidaraboka tamin'ny tany. Voa mafy izy ary mbola mandalo fitsaboana eny amin’ny hopitaly.

Efa tonga namangy azy ireo mpiara-mianatra aminy amin’ny classe de 3ème sy ireo mpampianatra ka naneho firaisankina ary samy nitondra ny tsirambin’ny tanana.

Nanoritra mazava tsara anefa ny mpampianatra fa nandritra ny fotoana tsy nianaran’izy ireo no nisehoan'ny loza, ary tsy tao anaty faritry ny sekoly.

 

 

Publié dans Tselatra