Filtrer les éléments par date : jeudi, 22 novembre 2018

Niombon-kevitra tsy misy handoa ny vola 360 000 ariary (1.800.000 fmg), izay notakiana amin'ny tsirairay ireto mpanao asa amin’ny studio ireto. Tsy mazava amin’izy ireo ny fomba handoavana io vola io sady tsy ahazoana taratasy na rosia fanamarinana fandoavana rahateo.

Nisy ny voaantso tany amin’ny Polisy fa tsotra ny nambaran’izy ireo fa tsy hoe malaina ny handoa OMDA io, fa mitaky ny mangaraharaha izahay, ahoana no hahafahanay handeha handoa OMDA alefa amin’ny Orange Money araka ny nambaran’ity iraka ity, farafaharatsiny mba misy tapakila na mba any amin’ny Tahirimbolam-panjakana fa tsy takiana aminay fotsiny tahaka izao.

Publié dans Vaovao

Naneho ny heviny mikasika ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 7 novambra 2018, ny kandida Jean Ravelonarivo. Nisy ny tsy fahatomombanana tamin'ny fikarakarana sy fikirakirana ny voka-pifidianana, na izany aza tsy nametraka fitoriana ny tenany. Apetraka amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny andraikitra hoy izy.

Miantso ny rehetra ho tony sy hanaiky izay voka-pifidianana havoakan'ny HCC eo ny tenany.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 22 novembre 2018 15:35

Japon: Voatsoakan'i Nissan i Carlos Ghosn

Taorian'ny fivorian'ny filankevim-pitantanan'ny Nissan, dia voaroaka tsy ho Talé Jénéralin'ny Orinasa intsony i Carlos Ghosn, izay enjehan'ny fitsarana japonais ho nandositra fandoavan-ketra, sy fampiasana ny fitaovan'ny orin'asa ho tombontsoan'ny tena.

Mbola tanana 10 andro any amin'ny fonjaben'ny Tokyo izy, eo ampanaovana fanadihadihana azy sy anolorana azy ny fitsarana.

Figadrana 10 taona no mety hiandry ity Tale nanavotra ny orinasa fanamboarana fiarakodia ity.

 

 

Publié dans Tselatra
Mpilatsaka an-tsitrapo miisa efapolo mianadahy avy ao amin’ny Corps de la Paix no nampanaovin’ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho amerikana, Atoa Stuart R. Wilson, fianianana tao amin’ny Restaurant Infinithé Ivandry ny Alarobia 21 Novambra 2018.
Hiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fampiroboroboana ny teny anglisy ireo mpilatsaka antsitrapo ireo rehefa avy nahavita fiofanana nandritra ny iraika ambinifolo herinandro. Taorinan’ny fiofanana momba ny teny malagasy, fianarana ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina Malagasy ary ireo teknikam-pampianarana samihafa dia handeha hamita iraka any amin’ireo tanàna manerana ny Madagasikara izay voatendry hipetrahany sy hiasany mandritra ny roa taona ireo mpilatsaka antsitrapo ireo.
Publié dans Sociale

Vao nidina ny fiaramanidina nitondra azy tao Japon ity Tale jeneralin'ny Ozinina mpanamboatra fiarakodia ity, no notsenain'i polisy japonais.

Avy hatrany dia notazonina hanaovana fanadihadiana momba ny tsy fandoavana hetra tamin'ny 37 millions d'euro karamany. Misy ihany koa ahiahy amin'ny fanararaotana ny volan'ny orin'asa tamin'ny fividianana trano tany France, Pays-Bas, Rio de Janeiro Brésil, Beyrouth Liban nefa tsy ampiasain'ny orin'asa fa ampiasainy manokana.

Mivory ny orinasa Nissan handray fanapahan-kevitra momba ity Tale jenaraly izay nanavotra ny orinasa ity nandritra ireny rivo-doza ara-bola nahazo ny mpanamboatra fiarakodia ireny.

Photo: Carlos Ghosn est détenu à la prison de Katsushika, au nord de Tokyo. (KANAME YONEYAMA / YOMIURI / AFP)

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 22 novembre 2018 14:28

Didier Drogba: Nijanona tsy hilalao intsony

Feno 40 taona ity Ivorianina mpilalao baolina ity no izao nanapa-kevitra ny hijanna tsy hilalao baolina matihanina intsony.

Publié dans Tselatra

La Mission d'observation électorale de l'UE à Madagascar 2018 suit la confrontation des procès-verbaux au siège de la Haute Cour Constitutionnelle à Antananarivo.

 

Publié dans Fil info

Vaky sasaka ny Malagasy tonga nifidy sy ny tsy nandeha nifidy. 5 000 000 latsaka ny tsy nifidy.

Mila fantarina izany ny anton'izay tsy nandehanan'ny olona nifidy izay.
Ireo tsy ao anaty lisitry ny mpifidy dia vitsy lavitra noho ireo efa voasoratra fa tsy tonga nifidy.

Ilaina izany ny mahita ireo faritra betsaka tsy nifidy. Miloko marron matroka ny faritra nisy isan'ny olona betsaka indrindra tsy tonga nifidy amin'ny carte, Analamanga, efa 800 000 mahery, mandeha any amin'ny loko mihamazava ny vitsy tsy tonga nifidy, Melaka, Betsiboka, Bongolava, Ihorombe.

Publié dans Politique

Velon-taraina ireo Sefo Fokontany fa hatramin'izao tsy misitraka ny tambinkarama voafaritry ny lalàna homena azy ireo tamin'ny fanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena notanterahina ny 7 novambra 2018.

Nandefa taratasy any amin'ny minisitry ny Atitany izy ireo ho fampahafantarana izany, sy mitaky ny hanomezana azy ireo ny valin-kasasarany.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
jeudi, 22 novembre 2018 10:59

Inona izany logiciel ?

Misy asa tsy miova ary miverimberina ny fikajiana azy.

Dia iny no ilana informatique, anafaingana sy anamorana ny asa atao miverimberina.

Ny programa na ny fizotran'izay asa sy kajy izay zany no antsoina hoe programme na logiciel.
Io logiciel io zany dia tsy afaka ovain'ny mpampiasa azy fa izay nataon'ilay mpanamboatra azy, na ilay programmeur ihany no ao.

Publié dans Editorial
Page 1 sur 2