Filtrer les éléments par date : vendredi, 26 octobre 2018

Le Chef d'Etat par intérim, Rivo Rakotovao, a reçu les représentants du collectif des 25 candidats à la présidentielle, en début d’après-midi, de ce vendredi 26 octobre 2018, au Palais d’État d’Ambohitsorohitra.

Publié dans A la Une
vendredi, 26 octobre 2018 15:24

Antsirabe: Fanapahan-dalana mahabe resaka

Ho avy hanao propagandy eto Antsirabe ny kandida tohanan'ny Ben'ny Tanàna Paul Razanakolona rahampitso sabotsy. Androany dia efa notapahana ny apahan-dalana eo amin'ny araben'ny fahaleovantena. Tranga mampimenomenona ireo mpitondra fiara sy posy.

Nanao fangatahana hanao fampielezan-kevitra teo amin'ny tsangambaton'ny fahaleovantena ihany koa ny kandida iray fa nolavin'ny Ben'ny Tanàna.

 

Publié dans Tselatra

Une vingtaine de candidat à l'élection présidentielle se sont réunis au CCI Ivato, avec les représentants des partis politiques, les membres de la société civile pour une conférence souveraine.

Les candidats ont expliqué la raison de leur revendication, essentiellement sur la dénonciation des fraudes sur la liste électorale.
Ils ont martelé leur détermination à mettre l'Etat de droit dans le pays, à commencer par le droit de vote pour tous, la transparence de l'organisation des élections.

Publié dans Fil info
Tonga teny Mahamasina ireo solotenan'ny Kandida nivory teny amin'ny CCI Ivato omaly, notarihin'i Jean Max Rakotomamonjy, fa ireo Kandida ihany aloha no anatitra ilay fehin-kevitry ny Fivoriambem-pirenena mahefa, ka andrasana aloha ny fahataperan'ilay fetra 72ora nomena ireo tompon'andraikitra hamaliana ireo fitakiana ny anokafana ny fanitsiana ny lisam-pifidianana.
(Jereo Sary Tohiny)
Publié dans Tselatra

Mazava ny voalazan'ny lalam-pifidianana fa voarara ny mampiasa ny panneau publicitaire, na ireny takelaka ara-barotra ireny, ialana indrindra ny fifangaroan'ny resaka politika, sy ny resaka ara-barotra jifain'ny olona.

Na ireo kandida voakasik'izany, na ny CENI dia samy tsy misy te halala izany fanajana lalàna izany. Samy manao izay tiany atao.

Ireo mpandraharaha ara-barotra ihany koa dia mandika lalàna, toy ireny télé na radio na gazety manao dokam-barotra na publicité momba ny toaka sy sigara ireny, izay voararan'ny lalàna avokoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina ny alarobioa 24 oktobra 2018 teto amin'ny Lapan'i Tsimbazaza ny fandanian'ireo Solombavambahoaka ireo volavolan-dalana miisa 04 izay mahakasika manokana ny fampindramam-bola an'i Madagasikara.

Ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena mpisolo toerana, Harimampianina Andrianarivo, no nitarika ny fivoriana, notronon'ny Filoha Lefitra Helson Brisson Erafa.

1-Volavolan-dalana laharana faha 018/2018 tamin'ny 30 may 2018 mahakasika ny "Banque de l'Afrique Australe pour le Commerce et le Développement". Ahafahantsiaka manamora sy misitraka ny tombotsoa rehetra ao amin'ny COMESA amin'ny maha mpikambana feno antsika Malagasy ao, dia niditra ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Banky (TBD) isika. Tombotsoa maro ny ho azontsika satria io Banky io dia afaka manohana tetik'asa, na ho an'ny Fanjakana na mpandrahara tsotra, afaka ihany koa mampindram-bola ho fampandehanana ny fifanakalozana ara-barotra ho an'ny mpandraharaha miakina amin'ny Fanjakana na tsia.

Publié dans Politique

Le Chef d'Etat par intérim, Rivo Rakotovao a demandé à ce que l’avis d’appel à candidature y afférent soit largement diffusé.

 

Publié dans Fil info

Ramanantsoa Ramarcel Benjamina nommé Directeur du Cabinet Civil du Président de la République par intérim

Il remplace Eric Randrasana.

 

 

Publié dans Fil info

Tao Ambaliandro, Fokontany Ihotry, Kaominina Tongobory, Distrikan'i Betioky Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana no nahitana ireo sokatra ireo, ny alarobia 24 oktobra, efa voaangona haondrana.

Olona telo no tra-tehaka niaraka tamin'ireo, ary hatolotra ny Fampanoavana ao Toliara anio zoma 26 oktobra.

 

Publié dans Tselatra

Tontosa omaly alakamisy 25 oktobra teto Toliara ny Fitsarana ireo olona telo, roalahy sy vehivavy iray, nahatrarana sokatra miisa 10 196 tao Betsinjaka, Toliara tamin'ny aprily 2018.

Sazy enin-taona an-tranomaizina, sazy mihatra miampy onitra 30 tapitrisa Ariary, arotsaka ho an'ny fiadidiam-paritry ny tontolo iainana Atsimo Andrefana, ary lamandy 100 tapitrisa Ariary ny sazin'izy ireo.

Namoahan'ny Fitsarana didy fisamborana kosa ny lehilahy iray antsoina hoe : Lahady Ledjee voasaringotra amin'ity raharaha ity.

Publié dans Vaovao