Filtrer les éléments par date : jeudi, 25 octobre 2018

Tsy mora ny tranga nisy teto Andapa omaly, toy izao ny zavatra navelan’iny sakoroko iny.

Manomboka voafehy ny fandriam-pahalemana hatramin’ny nahatongavan’ny Kaomandin'ny Kaompanian'ny Zandary, Kapiteny Maguy Raharimandina omaly hariva.

Vao tonga ireo ekipa avy any Sambava dia nandeha nandrava ireo andian’olona nandoro kodiarana teny amin’ny lalam-pirenena miazo ny biraon'ny Zandary. Vao rava izay dia natao faritra mena avy hatrany mba hisorohana izay tranga mety hiseho.

Publié dans Sociale

Anisan'ireo mpandeha tsy hita popoka nandritra ny fahadoboan'ilay sambo ANJARA tao Marovoay afak’omaly ireo. Vehivavy ny 5 tamin'ireo ary lehilahy ny 6.

Midina any an-toerana hatramin'ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy na APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) avy any Antananarivo manampy manao fikarohana ireo razana.

Raha ny fanazavan'ny avy eo anivon'ny APMF dia misy hatrany ny solontenan'izy ireo manara-maso ny fiaingan'ny sambo ao Antafia Marovoay saingy nangala-dia ity sambo ity ka tany amin'ny toerana lavitra ny tafia no niainga, tamin'ny toerana antsoina hoe: Madirokely.

Nisy rahateo, raha ny fanazavana, ny fifampigafiana teo amin'ny tompon'ny sambo sy ny mpanamory. Nilefa aty Mahajanga ilay mpanamory raha vao niseho ny loza araka ny fanazavana hatrany.

Publié dans Vaovao
jeudi, 25 octobre 2018 23:01

Mahajanga: Vaky ny fonjan'i Marofoto

Gadra roalahy no tafatsoaka ny fonjan'i Marofoto androany mitatao vovonana, rehefa nihanika tamboho. Nisy fahatelo saika hitsoaka saingy teo ampihanihana no tratra fa naratra, ka tsy tafavoaka.

Mpiandry fonja iray no voalaza fa naratra voadaroka nandritra ny fitsoahan'ireto gadra ireto, ka tsaboina ao amin'ny sampana vonjy voina hopitaly Androva.

Tsy mbola nahazoam-baovao ny tompon'andraikitra eo anivon'ity fonja ity, ny amin'ny zava-nitranga ka nitarika io fitsoahan'ny voafonja io.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 25 octobre 2018 22:59

25 octobre

Journée Mondiale sans papier.

 

Publié dans Fil info