Filtrer les éléments par date : mercredi, 24 octobre 2018

Tovolahy namono zaza kely roa tao Andasibe Maheverika no niandohany. Tranga niseho tamin'ny alatsinainy 22 oktobra teo.

Voasambotra ilehio ary eo ampelan-tanan'ny zandary atao famotorana.

Androany tamin’ny efatra ora hariva anefa dia nisy andian'olona avy any Andasibe Mahaverika Andapa nirohotra nanoloana ny tobin'ny Zandary, nitaky ny hamoahana ilay tovolahy, hampiharana fitsaram-bahoaka, izay tsy eken'ny lalàna misy eto amintsika, ka izay no nahatonga ny fifandonana, faritra mena rahateo ny tobin'ny Zandary.

Nitifitra ireo Zandary, roa no namoy ny ainy, dimy maratra mafy raha ny tarehimarika vonjimaika.

Publié dans Tselatra

Miasa ao amin'ny Police Économique Toamasina izy ireo, ary nanatanteraka iraka any an-toerana, no nataon'olona fitsaram-bahoaka rehefa nanao "perquisition", izay tamin'ny fomba ara-dalana, araka ny taratasy avy amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina momba ny resaka lavanila.

Inspecteur daholo izy telo lahy, Hajarinofy, Abdy, Brillant ary nanao badge ara-dalana.

Mpandraharaha lavanila iray ao Ambodihazinina anaovana fanadihadiana no nanirahana azy ireo androany. Niantso vonjeo ho misy manafika ilay mpandraharaha, ity farany izay vao nisy nanafika tamin'ny sabotsy teo.

Publié dans Tselatra

Tanterahina eo amin'ny Esplanade Ankatso manomboka androany ary haharitra hateloana ity hetsika ity, izay maimaimpoana.

 

Publié dans Tselatra

Aujourd'hui, 24 octobre, on fête aussi la Journée des Nations Unies.

Le choix de cette date a été arrêté pour marquer l'anniversaire de la création de cette organisation mondiale, en 1945.

 

Publié dans Fil info

Manasa ireo antoko politika rehetra, sy ny fiarahamonim-pirenena, rahampitso 25 oktobra eny amin'ny CCI Ivato, ireo vondron'ny Kandida handray anjara amin'ny Fihaonambem-pirenena Mahefa.

Publié dans A la Une

La première édition de la Foire Internationale des Gemmes et Bijoux de Madagascar a ouvert ses portes ce 23 octobre, et ce jusqu’au 27, au Mining Business Center, à Mamory, Ivato.

Elle est organisée conjointement par le Ministère des mines et du pétrole, le Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM) et l’Institut de Gemmologie de Madagascar, afin de contribuer à la promotion du secteur minier, tant au niveau national qu’international.

Publié dans Economie

Hetsika goavana no hanamarihana ny faha-15 taona nijoroan'ny CBU (Club Bouliste UNOH) tarihin'i Dr Rasamimanana Honoré Gabriel, filoham-boninahitry ny klioba.

Fiara iray na vola 6 tapitrisa Ariary no loka amin’ny fifaninanana nampitondraina ny anarana “Grand Open”, hatao eny amin’ny kianjan’ny Star Antsirabe.

Isan’ny klioba matanjaka eto Madagasikara ny CBU. Efa maro ny amboara azony nanerantany sy taty Afrika, ary isan’ny namokatra mpialao kalaza koa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport
mercredi, 24 octobre 2018 09:32

Oniversiten'i Toamasina: Misavorovoro

Nampiato ny fampianarana ao Barikadimy ny filohan'ny oniversiten'i Toamasina, Velo Jérôme, noho ny grevy misy ao an-toerana efa ho roa heinandro izao.

Ny antony dia ny fampiharana ny rafitra LMD (Licence-Master-Doctorat) tamin'ny fomba fanaovana ny fanadinana farany teo, ka niteraka tsy fahafahana maro teo amin'ny mpianatra.

Mitaky ny "compensation de note" ireo mpianatra, mitaky ny fametraham-pialan'ny filohan'ny oniversite, ary mitaky ny fanalana ny sojabe ny DEGMIA ihany koa.

Publié dans Sociale

Ny alatsinainy 22 oktobra 2018, tokony tamin’ny enina ora hariva, no maty tao antranon’ity Infirmier tsy miankina ity ilay raim-pianakaviana monina tao amin’ny Fokontany Antognopahitra Kaominina Bemanevika.

Vao naheno io tranga io dia taitra ny avy tao amin’ny fahasalamana ka nandefa iraka avy hatrany nanao fitsirihana ny razana omaly talata 23 oktobra 2018, tamin’ny 8ora maraina, ary tonga teny ihany koa ny avy amin’ny mpitandro filaminana, avy amin’ny Poste Avancé Anjagnoveratra.

Nosamborina avy hatrany ity Infirmier ity, fa nony teny an-dalana raha vao avy niampita ny renirano Sambava dia nitsoaka izy ka raikitra avy hatrany ny fanenjehana azy ka tsy lasa lavitra dia saron’ireo Zandary telo lahy niara-dia taminy ka nentina tany amin’ny Poste avancé Anjagnoveratra tamin’ny 10ora sy sasany teo.

Publié dans Vaovao