Kitra-Ligy Boeny: Mbola voafidy ho filoha i Nourdine
Naverina ny maraina teo ny fifidianana izay ho filohan'ny ligin'i Boeny amin'ny taranja baolina kitra. Antony, ny tsy fanajana ireo fepetra voalazan'ny lalam-pifidianana.
Nisy tamin'ireo kandida enina nilatsaka nofidina no nametraka fitoriana mahakasika izany taorian'ny fifidianana natao ny 15 desambra teo ka nahatonga ny famerenana izany ny maraina teo.
Tsy nasiana fiodinana faharoa tamin'izany fifidianana izany kanefa tokony ho niroso raha ny vokatra azo sy ny lalàna no jerena.
Mbola i Nourdine izay efa filoha nitantana ny ligin'i Boeny teo aloha ihany no lany tamin'ity famerenana ity, izy izay efa lany rahateo tamin'ny fifidianana ny volana desambra.
Tamin'ny isam-bato telo noho iray no nahalany ity filoha ity.
Kitra-Ligy Matsiatra Ambony: Tsy tontosa indray ny fifidianana filoha
Famerenana ny fifidianana filohan'ny ligin'ny kitra Matsiatra Ambony tokony natao androany saingy tsy tanteraka indray izany. Tokana ny kandida dia ny filoha amperinasa Rarison Hilarion, tsy eken'ny sasany anefa izany. Izay no efa tsy nahatanteraka ny fifidianana tamin'ny 15 desambra ary mbola tsy nahavanona ny fifidianana androany.
Antsohihy: Miakatra ny rano
Mijojo ny orana eto Antsohihy hatry ny omaly tolakandro. Manomboka miakatra ny rano vokatr'izany.
Toamasina: Miala any ny rambon'ny cyclone, mitsoka mafy ny rivotra
Maina kely teo amin'ny adiny iray teo ny andro teto Toamasina.
Maro ny lalana tapaka eto amin'ny ville noho ny hazo mianjera amin'ny arabe. Maro ireo poteau jirama no nirodana
Miverina ratsy ny andro amin'izao.
Miverina mafy dia mafy ny rivotra izao
Efa ho adiny iray eo, ampitomboina 2 ny herin'ilay teo aloha vao mitovy amin'izao.
Isaorana ny namana mahavatra manome vaovao, ny mampalahelo tsy hita ny miaramila, ny pompier, ny BNGRC, fa dia miady irery ny mponina.
Ambalamanasy: Misento kely fa tena voa mafy
Teto Ambalamanasy Toamasina II no niditra ny Rivodoza AVA ny atoandro teo, voa mafy ny tanàna, ary mbola misento kely izy izao.
Morondava: Migrevy ny mpampianatry ny lycée Pôle
Efa hatramin'ny fidirana teo no mitokona tsy mampianatra ireo mpampianatra ao amin'ny lycée pôle Morondava. Mba hiombonana amin'ireo namany miisa valo tsy nandray karama no voalaza fa antony.
Ambilobe: Niakatra ny tegnandrano Mahavavy
Mikija ny orana ary dia miakatra be ny ranon'ny Mahavavy.
Ambohimiangaly Ambatondrazaka: Manomboka manorana sy mandrivotra be
Manorana sy mandrivotra aty Ambatondrazaka amin'izao, efa misy ny fahasimbana ateraky ny rivotra mitsoka mafy.
Météo: En plein dedans, Toamasina dans l'oeil du cyclone
AVA a atteint la côte est de Madagascar dans le District de Toamasina, Ambalamanasy.
Il apporte un vent violent de 140Km/h dans un rayon de 30Km suivi d'une rafale de 195Km/h
Météo: En plein dedans, Toamasina dans l'oeil du cyclone
Tafiditra antanety ao amin’ny Distrikan’ny Toamasina, Ambalamanasy, ilay Rivodoza AVA.
Tafiakatra 140Km/ora ny rivotra entiny ao anatin’ny 30 Km manodidina ny ivony ary arahina tafiotra 195 Km/ora.
Tsy miova ny filazana loza rehetra :