Antsiranana: Avy be ny orana, tapaka ny jiro, ny rano mitsitapitapy
Oram-be taty Antsiranana, efa nanomboka nitsahatra fa ny rivotra no betsaka amin'izao, ny jiro taorian'ny varatra dia tapaka, misy nanomboka nandeha tamin'ny 4 ora tolakandro, fa misy no mbola tsy mandeha.
Ny rano kosa dia maro ny faritra tapaka, misy ny mandeha kely.
Kidnapping: John Azadaly introuvable après 16jours de captivité
Le jeune John Azadaly, employé chez Ucodis Tana a été kidnappé à l'entrée de la cité Firaisana Ankorondrano Tana mercredi 20 décembre 2017.
Kimony - Morondava: Jiolahy iray maty voatifitry ny Polisy
Tokantrano iray tao Kimony Morondava no notafihin’ny jiolahy miisa dimy ny alarobia 03 janoary misasak’alina. Nitondra basy iray ireo jiolahy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 07 tapitrisa Ariary.
Nahazo fampandrenesana ny Polisy ka niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana. Tafatsoaka niaraka tamin’ny volabe ny efa-dahy, maty voatifitra kosa ny iray.
Hatramin’ity alakamisy amin’ny 08ora alina ity, tsy misy maka ao amin’ny morgue CHRR Namahora ny razana.
Ady tany ao Analamalotra – Antetezambaro: Mampiaka-peo ny Katolika
Nampiantso ireo mpino Katolika isaky ny Diosezy, ny solontenan’ny mponina tao Antetezambaro sy Analamalotra, ny Skoto Katolika, ary ny mpanao gazety, tao amin’ny Katedraly Md Jozefa Ampasimazava Toamasina androany ny mpitondra ny Fiangonana eto Toamasina, tarihin’i Arsevekan’i Toamasina Mgr Tsarahazana Désiré, nampahafantatra ny olana sedrain’ny fikambanana Saint Gabriel mikasika ny tany antsoina hoe : “La Redoute, TF 3072-BA” ao Analamalotra Kaominina Antetezambaro, Distrikan’i Toamasina II.
Tanin’ny ministeran’ny fambolena izy io no nomena ny fikambanana, ary nahazoany alalana mazava, izay nohamafisin’ny taratasy nosoniavin’i Rakotovao Rivo, fony ity farany minisitry ny fambolena, tamin’ny 10 aogositra 2017, ary nandoavana hofan-tany nifanarahan’ny fikambanana sy ny fanjakana hatrany, nandritra ny dimy taona izay.
Ampasimatera: Fokontany 10 dibo-drano, olona iray lasan’ny rano
Mitobaka ny reniranon’i Bemarivo, ka manondraka Fokontany folo ao anatin’ny Kaominina Ampasimatera, Distrikan’i Mampikony. Olona iray lasan’ny rano.
Vatomandry: Manangana saina mavo ny eny amin'ny fokontany
Mahery be ny ranomasina amin'izao fa ny orana no nijanona kely, ny rivotra dia somary mbola tony.
Ny vidim-bary androany no efa niakatra 600 ariary ny kapoaka teny an-tsena .
Misy stock fa ny olana, anjakan'ny fanararaotana isaky ny andro ratsy nefa tany tsy dia misy vola. Mety ho soanambo tsy matoy no ataon'olona sakafo aorian'ny rivodoza satria na izao efa 600 ariary ny kapoaka ka mametram-panontaniana ny maro hoe ahoana aorian'ny cyclone.
Ny saina mavo aloha izao no efa hita mitsangana eny amin'ny fokontany.
Marihina fa efa saina mena no tokony hitsangana ao Vatomandry izao, tandremo fa mamitaka ny tsy fisian'ny orana sy ny rivotra.
Praiminisitra Mahafaly Olivier: Vonona mandrakariva ho amin’ny fifanatonana
Nivoitra io tamin’ny fandraisin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ireo lehiben’ny Distrika teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, tonga niarahaba azy nahatratra ny taom-baovao 2018, amin’ny maha-minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana azy.
Nandritra izany no nampahatsiahivin’ny Praiminisitra ny andraikitra goavana apetraky ny fitondram-panjakana amin’ireo tompon’andraikitry ny Distrika, amin’ny maha-solontenampanjakana azy ireo, na eo amin’ny resaka asam-panjakana ankapobeny izany, na mahakasika ny fandavorariana ny fifidianana, ary nanambara ny fahavononany mandrakariva ho amin’ny fifanatonana izy, raha toa ka heverina fa misy fanatsaràna tokony hatao mikasika ny asa.
Famatsiana: Ampy ny vary
Be ny fanararaotana mety hitranga amin’ny fanafenana na fampiakarana ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, indrindra fa ny vary amin’ny fandalovan’izao andro ratsy toy izao.
Namoaka fanambarana ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana mampahatsiahy ny besinimaro fa ampy ary tsy misy olana ny famatsiana manerana ny Nosy.
Ny fanarahamaso ataon’ny Ministera mikasika ny fizotran’ny famatsiana ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia mitohy hatrany.
Mampitandrina ireo izay mety hanararaotra ka halaim-panahy hanafina na hampiakatra ny vidin’entana ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana.
Kitra - Matsiatra Ambony: Hatao rahampitso ny fifidianana filohan'ny ligy
Haverina rahampitso zoma 5 janoary ny fifidianana filohan'ny ligin'ny baolina kitra Matsiatra Ambony, rehefa tsy tontosa tamin'ny 15 desambra.
Ny filoha amperin’asa Rarison Hilarion no hany kandida neken'ny vaomiera-pifidianana hatramin'ny farany. Miditra amin'ny fe-potoana fitondrana ny ligy fanin’efany izy amin'izao filatsahana hofidiana izao.
Filohan'ny fileovana miisa 5 no mpifidy raha toa ka tsy misy fiovana.
Sambava: Miakatra ny rano eto amin'ny vinany
Hatreto dia manjombona be fotsiny ny andro aty Sambava, tsy misy rivotra firy, fa ny rano eo amin'ny vinany, hitohizan'ny ranomamy amin'ny ranomasina no niakatra be.