Filtrer les éléments par date : lundi, 15 janvier 2018

Mitaky fanatsarana ny fampianarana ireo mpianatra satria niakatra foana ny miakatra hatrany ny saram-pisoratana anarana. Tato anatin’ny dimy taona farany izao dia niainga 25 000 Ariary lasa 100 000 Ariary.

Mitaky tatitra mazava ny ampiasana ny vola mikasika io saram-pisoratana anarana miakatra tsy misy fiatoana io ny mpianatra. Maninona hoy ireto farany ny saram-pisoratana anarana ety amin’ny Polytechique no lafo nefa mitovy daholo ny vatsim-pianarana ho an'ny oniversiten’Antananarivo.

Mitaky ny ivoahan’ny vatsim-pianarana efa-bolana ambiny ny mpianatra, izay efa tokony ho azo talohan’ny nisian’ny valanaretina pesta.

Lasa ihany moa ny grevy na dia fantatra aza fa nisy fivoriana teny Ankatso androany atoandro niantsoana ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra rehetra nandinihana indrindra momba ny vatsim-pianarana.

 

Publié dans Tselatra

Roalahy, izay samy mpiasan'ny orinasa UNIMA AQUALMA no saron'ny Zandary niaraka tamin'ny makamban’ny orinasa nangalariny.

Ny 31 desambra hifoha 1 janoary lasa teo no nisy fampilazana fa nisy “crevette” very tao amin'ny orinasa. Ny 3 janoary dia nisy olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao fa misy olona mitondra makamba efa nampangotrahina ary efa nasiana sira entina hihazo an'i Mahajanga.

Avy hatrany dia nidina nizaha ifotony ny zava-niseho ny Zandary niaraka tamin'ny teknisianin'ny orinasa ary voamarina fa tena ireo makamba very mihitsy ireo hita ireo.

Efa mpiasa tao ary voarohirohy tamina halatra telo volana lasa izay ny iray amin'izy roalahy ireto.

 

Publié dans Tselatra

Mpianatra telo indray no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny Campus Ambondrona androany maraina. Manomboka androany no daty nanombohan’ny fanadinana eny amin’ny oniversite, nisantatra izany ny fakiolten’ny siansa ary hanomboka ny azy ny tapakandro hariva kosa ny sampana fitsaboana.

Mpianatra manodidina ny 60 anefa no niditra an-keriny sy ninia nanakorontana ny mpanao fanadinana tao amin’ny grand Amphi Ambondrona. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ka nandeha ihany ny fanadinana.

Samy niparitaka ireo mpianatra nony avy eo saingy niandry kendritohina ireo mpianatra sy mpampianatra nirava. Vokany, mpampianatra mpikaroka iray no naratra voatoraka raha iny nandalo iny ny fiarany, vaky avokoa ny fitaratra rehetra tamin’ilay fiara.

Publié dans Tselatra

Miatrika fiofanana eto Belo sur Tsiribihina ireo mpitaridia (guide touristique) avy any Bekopaka. Nanomboka tamin’ny zoma 12 janoary ny fampiofanana ireo tanora 40 eo ho eo hanao mpitaridia avy any Bekopaka, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 16 febroary.

Ny Ofisim-paritry ny fizahantany Melaky sy Menabe no miara-manomana ity fampiofanana ity. “Consultant” vahiny avy any Antananarivo nalefan'ny ministeran’ny fizahantany kosa no miandraikitra ny fanofanana. Hisy fampiharana mandritra izany.

 

Publié dans Tselatra

Nitombo iray indray ireo fiara vaventy hampisain’ny Kaominina Mahajanga amin’ny fitaterana ireo fako voaangona amin’ireo dabam-pako manerana ny tanàna. Hanamaivana ny sampandraharaha mitantana ny fako ity fiara vaventy ity. Mpiara-miombon’antoka miisa telo izay efa mpiara-miasa amin’ny Kaominina hatrami’izay no nitambatra nanolotra ity fitaovana ity izay mitentina 15.000 Euros.

30 taonina isan’andro ny fako esorina eto Mahajanga ary niakatra 40 hatramin’ny 45 taonina izany nandritra ny nanaovana ny fanadiovana faobe. Hezahina ny hanampiana ny isan’ireo dabam-pako hanangonana fako ka ho hampitomboina hatramin’ny 33 ireo toerana hasiana izany ato ho ato satria mbola hisy kamiao roa andrasana.

Publié dans Sociale
lundi, 15 janvier 2018 07:14

Rajaonarimampianina sur le départ

Hery Martial Rajaonarimampianina ne sait plus où se mettre la tête. On constate tout de suite qu’il est pris au piège de la Constitution de la 4ème République dont il n’a pas lu les articles commençant à l’article 1er (énonçant « Le peuple malagasy constitue une Nation organisée en État souverain, unitaire, républicain et laïc ») à l’article 168 portant sur « le cadre du processus de réconciliation nationale, il est institué un Conseil du Fampihavanana Malagasy dont la composition, les attributions, et les modalités de fonctionnement sont déterminées par la loi ».

Candidat né du vide du Ni...Ni imposé par ladite Communauté internationale, l’expert-comptable malgré qu’il a été parti prenant des conflits de 2009, apparaissait comme l’homme de la situation. Ministre du budget de la Transition, pour se faire une légitimité post-électorale en 2013, il n’a pas hésité à trahir son mentor le Président de la Haute Autorité de la Transition (PHAT) Andry Rajoelina.

Il pensait qu’en manœuvrant entre les différentes eaux troubles de la politique malagasy, il s’en sortira indemne.

Il a d’abord divisé l’équipe du Miaraka Amin’ny Prezidà Andry Rajoelina (MAPAR) en plusieurs sections plus ou moins antagonistes (MAPAR I, MAPAR II,…) dont certains sont devenues ses appuis en se transformant en « Nouvelle Force pour Madagascar » (HVM).

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2