Filtrer les éléments par date : samedi, 30 décembre 2017

Efa manomboka ny halatra lavanila maitso ato anatin'ny faritra Analanjorofo. Ny mpamboly ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Vohilengo sy Fénérive est sy ao anatin'ny Distrika Soanierana Ivongo dia efa tsy matory andro, tsy matory alina.

Ny tany Mananara Avaratra, dia olona iray tratra tamin'ny halatra lavanila maitso no nampidirina amponja omaly zoma 29 desambra.

Manahy ireo mpamboly fa ho simba ity filière ity raha tsy misy fandraisana andraikitra avy amin'ny mpitondra

Lavanila novakina fleur tamin'ny volana septambra ny eto Fénérive est izay mbola tokony volana jolay amin'ny taona ho avy vao tangosana, nefa izao efa misy maka izao sahady.

Mahagaga ny maro ity halatra izy, satria dia ny lavanila tsy masaka, na inona atao azy na inona dia maimbo tsy azo amidy, ka fanimbana ny filière tsotra izao ny zava-misy fa tsy resaka halabotry akory.

Ka hoy ny maro hoe, iza ary inona no ao ambadik'izao?

 

Publié dans Sociale

Une perturbation tropicale continue son avancé à 1800Km de la côte Nord de Madagascar avec une vitesse de 9km/h.

Le temps sera sec le matin au centre du pays, pluvieux dans l'est, orageux dans Boeny et Melaky.

Dans la soirée, il va pleuvoir, suivi des orages dans la partie centre et dans le nord de Madagascar.

Androy et Anosy dans le Sud ouest seront secs.

(Source Météo Madagasikara)

Publié dans Fil info

Ny sary zana-bolana anio 30/12/2017, tamin'ny 9:30 teo ity zaraina amintsika eto ity ; ilay voahodidina mena ny rahona arahintsika maso AKAIKY, tany amin'ny 1800km eo ho eo miala an'i DIÉGO no nisy azy, mizotra MIAKANDREFANA somary AVARATRA ANDREFANA izy, amin'ny hafainganam-pandeha 9km/ora, izany hoe miha-manatona tsikelikely. Mbola perturbation tropicale izy izao, izany hoe ANDRO RATSY arahina maso fotsiny fa mbola TSY RIVODOZA AKORY.

Somary maina ny andro eto afovoan-tany izao maraina, manorana ny any Atsinanana, arahi-kotroka any BOENY sy MELAKY; hitantsika eo amin'ny sary izao fa nisinda kely ilay rahona nandrakotra faritra maro teto Madagasikara iny.

Ny hariva kosa anefa, saika hahazo orana arahi-kotroka ny afovoantany sy ny tapany avaratra manontolo. Saika manjombona ny any Atsimo Atsinanana, maina ny Androy, Anosy Atsimo Andrefana rehetra iny.

(Source Météo Madagasikara)

Publié dans Tselatra

Olo nangalatra lavanila ta Sambava nisy chance tsy nahafaty azy, voatomboko lefona ny tendany, tsaboina ao amin'ny Hopitalibe Sambava.

Publié dans A la Une

Notanterahina omaly maraina zoma 29 desambra ny fametrahana ny vato fehizoron’ny asa fanorenena ity trano fandidiana ho an’ny SALFA Sambava ity. Hirefy 46x13 m ilay trano haorina ary hisy rihana.

Notokanana ihany koa ny tamboho lehibe mamefy ny SALFA. Tonga niatrika lanonana ny tale jeneralin’ny SALFA Dr Rasoarimanana Sahondra izay nidera izao ezaky ny SALFA Sambava izao.

Nampiana roa ny mpitsabo amin'ny SAFLA Sambava, raha telo izany teo aloha.
Mangataka ny mba hametrahana “scanner” ireny kosa ny lehiben'ny faritra SAVA Velomaro Faustin satria io no tena mampanahirana ny marary aty.

Fantatra teto ihany koa fa SAVA ihany koa no hampiantrano ny lalao ara-panatanjahantena iraisan'ny SALFA misy amin'ny Faritra 21 manerana ny Nosy izay hatao amin’ny taona 2018.

 

Publié dans Sociale

Omaly 29 desambra tamin’ny 11ora sy 30mn no nahatraran’ny Polisy monisipaly ireto Bajaj roa izay mitovy laharana ireto, rehefa nifanenjehana.

Mbola nahitana “licence” telo samy hafa mitovy laharana tao anatin’ilay Bajaj iray.

Nanazava ny “Chef de Service Financier” Atoa Percles Ricky Berger, izay mikirakira manokana ny famohana ny “licence taxi-ville” fa hosoka no nataon’ireto mpitondra Bajaj ireto.

Nambarany fa miisa 601 ny “licence” farany ara-dalana nomen’ny Kaominina ireo taxi-Bajaj, amin’izao anefa dia tafakatra 1200 ny Bajaj miasa eto Sambava.

 

Publié dans Vaovao

Nanolotra fanampiana tetsy la Réunion kely ny fitondram-panjakana notarihan'i Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery mivady toarian'ny antso nataon'ireo mponina teny an-toerana.

 

Publié dans Tselatra