Filtrer les éléments par date : dimanche, 24 décembre 2017

Mpianatra manampahaizana ambony niisa 200 be izao indray ny sekoly ambony ASJA Tombontsoa ny alakamisy 21 desambra lasa teo. Andiany faha 13 tamin’ireo mpianatra navoakan’ny sekoly ireto nivoaka ireto ka nisalotra ny anarana “Fivoarana”, izay nahavita ny fianarany nandritra ny 5 taona ka notolorana ny diplaoma “Master II”.

Sampam-pianarana 5 no nisy ireo mpianatra ireo dia ny Informatika, ny Lalàna, ny Siansin’ny tany, ny Agronomika ary ny Toe-karena sy ny Varotra.

Ny Minisitry ny fampianarana ambony moa no mpiahy ireto mpianatra ireto.

Publié dans Sociale

Polisy miisa 745 mianadahy no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 22 desambra 2017 lasa teo, tao amin’ny Sekolin’ny ENIAP Antsirabe.

Ny 100 mianadahy tamin’izy ireo dia inspektera ka nisy 11 no vehivavy, ary 645 kosa ireo “Agent de police” ka 48 kosa no vehivavy.

Mampiavaka ireto andiany ireto raha ny fitanisana dia mpianatra manana marim-pahaizana ambony avokoa ny akamaroany satria dia efa misy ny manana Maîtrise sy Master II ny maro amin’izy ireo.

Publié dans Vaovao
dimanche, 24 décembre 2017 18:16

Bouffonnerie et pantalonnades

Une pantalonnade est un subterfuge grotesque et hypocrite, une manifestation hypocrite d'un sentiment. La bouffonnerie est de dire quelque chose pour faire rire.

Ces deux définitions résument bien la vie politique à Madagascar. D’un côté le président d’un parti dénommé la « Nouvelle Force pour Madagascar » (Hery vaovao ho an’i Madagasikara [HVM]) en même temps chef de la Chambre haute déclare à qui veut l’entendre que l’actuelle administration restera au pouvoir en gagnant les prochaines élections alors que tout le monde sait bien que Hery Rajaonarimampianina ne passera pas le 2nd tour? car le président en exercice se trouve en 4ème position bien loin derrière les favoris que sont Andry Rajoelina et Marc Ravalomanana.

De l’autre côté ce dernier, gonflé à bloc par sa nomination parmi les candidats de l’African of the year 2017 se sent pousser des ailes à défier les tenants du pouvoir en déclamant à qui veut l’entendre qu’il « n’a peur de personne » (Tsy misy mafy be izany eto).

Publié dans Editorial

Tao amin’ny hopitalibe Besopaka no nisafidian'ny orinasa Maison Ravelo nizarana fanomezana mba hahitan’ireo tsy salama fifaliana mitovy amin’ny ankizy namany hafa mandritra ity Noely ity.

Ny Médecin Chef Dr Raharimanjaka Nourdine izay nandray azy ireto moa dia nanambara fa zava-dehibe izao hetsika izao.

Ankizilahy miisa fito ary ny vavy miisa valo ka ao anatin'ireo ny vao teraka sy ireo marary. Nisy reny miisa telo izay maty teo ampiterahana ny zaza naterany ka dia nomena ny anjarany ihany koa.

 

Publié dans Sociale

Fifanolanana eo amin'ny oniversiten'i Mahajanga sy ny mponina eny amin'ny Fokontany Ambondrona no nahatonga ireto andian'olona ireto nilanja sora-baventy hanairana ireo tompon'andraiki-panjakana aty an-toerana tamin'ny zoma 22 desambra lasa teo .

Trano hatrany amin'ny 1500 tafo no voatery harodana fa ilain'ny oniversite ny tany ary tafiditra anatin'ny fanadiovana efa nanaovan'izy ireo fanambarana izany.

Milaza anefa ireto mponina voakasika ireto fa azy ireo ny tany ary ananany didy mazava avy amin'ny Fitsarana ambony sy ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Mahajanga rehefa avy niadivana tamin'ny miaramila avy amin'ny faritany miaramila fahaefatra tamin'ny taona 2001.

Publié dans Vaovao

Tao anaty lakandrano no nahitana ilay zazarano omaly sabotsy 23 désambra maraina.

Zazalahy kely sendra nitsipona fako no nahita ka nampandre ny reniny. Noraisin'ny lehiben'ny fokontany Tsaramandroso Ambony an-tanana ny fandevenana ilay zazarano.

 

Publié dans Tselatra