Filtrer les éléments par date : samedi, 02 décembre 2017

Manomboka ny 01 desambra ary mifarana ny 31 janoary 2018 ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ataon'ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ahafahan'ireo olom-pirenena rehetra manoratra anarana eny amin'ny Fokontany raha tsy mbola tafiditra anaty lisitra, ary ihany koa manamarina izany.

Hatreto mbola 79% n'ny olom-pirenena feno taona no voasoratra anarana anaty lisitra ary mbola mila ampiakarina hatrany amin'ny 11% izany mba ho tonga 90% farafaharatsiny mialohan'ny fifidianana.

Hampitomboina 2000 ihany koa ny isan'ny birao fandatsaham-bato mba hanakekezana ireo toerana saro-dalana any ambanivohitra hampavitrika ny olona hifidy.

Taty Mahajanga no nosafidian'ny CENI foibe hanaovana ny fanentanana ifotony, izay efa nanomboka tamin'ny 29 novambra lasa teo tamin'ny alalan'ny fidinana ifotony niaraka tamin'ireo mpanentana avy amin'ny CENI.

Publié dans Politique

Mandalo eto an-toerana izao ny delegasiona avy tarihin'ny Praiministra.

Manatrika ny fitokanana fotodrafitrasa sy fanamarihana izany faha 40 taonan'ny oniversiten'i Fianarantsoa izay izy ireo.

Hatreto dia ao amin'ny faritra tantanan'ny oniversite ihany no izoran'izany fa tsy misy kosa hetsika famoriam-bahoaka ivelan'ireo toerana ireo.

 

Publié dans Tselatra

Sinoa vavy iray mpandraharaha jirofo no notafihin’ny jiolahy enin-dahy tao an-tranony teny Mangarivotra – Manakara tampon-tanàna ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 29 novambra, tamin’ny 4ora maraina.

Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 2 miliara Ariary vao avy nalaina tany amin’ny banky.

Noratrain’ireo jiolahy ny lohan’ilay ramatoa Sinoa rehefa tsy nety namoaka vola. Nofiraina zava-maranitra ny mpiambina iray fa namaly saingy tsy maty.

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 2