Filtrer les éléments par date : mardi, 19 décembre 2017

Natolotra ny Fampanoavana ilay lehilahy nosamborin’ny Polisy ary notondroina ho nisandoka ho mpanao gazety. Nahazo fahafahana vonjimaika izy araka ny didy savaranonando navoakan’ny mpitsara. Notanana am-ponja vonjimaika kosa ireo telo lahy voalaza fa namany, nosamborin’ny Polisy noho ny fandraisana zavamahadomelina.

Araka ny filazan’ireo olona akaiky ity lehilahy nahazo fahafahana vonjilaika ity, dia tsy nitonotena ho mpanao gazety io lehilahy io fa misy havany noraofin’ny Polisy tany ampisotrosotroina, ary voadaroka ka mangana ny vatan’io olona io.

Tonga tao amin'ny Kaomisaria hijery ny zava-misy io lehilahy io ary nangataka hijery ny havany izay maratra. Rehefa navela nihaona tamin'ny havany maratra io lehilahy io dia naka sary ilay ratra eo amin'ny vatan'ilay havany mba hanaporofoiny ny kapoka nahazo ny havany eo anatrehany lehiben'ireo nanao izany.

Kinanjo nalain'ireo Polisy ilay finday nakany sary ary mbola nalain'izy ireo koa izay rehetra tany aminy, eny hatramin’ny vola.

Notondroina ho nisandoka ho mpanao gazety izy ka natolotra ny Fampanoavana ary nahazo fahafahana vonjimaika izao.

 

Publié dans Tselatra

Namoy ny ainy avokoa ireo miaramila sivy (Zandary iray, Polisy roa, Tafika enina), dobo an-drano raha nofaohin’ny rano teo ampiampitana ny “radier” tao Ambinanitromby ny kamiaon’ny Tafika nitondra azy ireo ny tolakandron’ny sabotsy 16 desambra 2017. Androany tamin’ny enina ora hariva ny razana faha-9 no hita.

Hita ny sabotsy, ampitson’ny nitrangan’ny loza, ny razana telo, ary efa niala tany Ikongo ny alahady teo ; hita taorian’izay ny basy nentin’izy ireo. Nitohy ny fikarohana nataon’ny Fokonolona sy ireo miaramila naman’izy ireo, ka hita avokoa ny razana.

 

Publié dans Tselatra

Bobotsy 10 taona, Francky 13 taona ary Frederico 12 taona no samy namoy ny ainy raha mbola notsaboina teny amin’ny Hopital CHRR Besopaka Sambava taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo.

Nikarama nitaona biriky tanimanga izy ireo, nanaraka kamiao niala tao Ambarimihambana ny alahady 17 desambra teo. Nihemotra teo amin’ny fiakarana tanànan’i Belalona, lalana mihazo an’Andapa anefa ilay kamiao ary nivadika, ka voatsidrin’ny biriny ireto zaza ireto. Nezahina novonjena tany amin’ny hotapily saingy izao namoy ny ainy izao.

Rahampitso no hanaovana veloma farany ny razana ao Ambarimihambana Kaominina ambonivohitra Sambava.

 

Publié dans Tselatra

Le domaine des loisirs et du spectacle s’enrichit en salle, suite à la réhabilitation de l’amphithéâtre d’Ampefiloha, devenu une grande salle de cinéma dénommée « Plaza ». La réalisation de cette infrastructure est le fruit d’un partenariat entre le Ministère de l’éducation nationale et l’entreprise Canal 7 Events, dirigée par Andry Raobelina.

Suite à la signature de la convention en 2016, cette entreprise a pris en main les travaux de rénovation de l’ancien amphithéâtre qui servait de dépôt pour les ministères durant les vingt dernières années.

 

Publié dans Art et Culture

Zaza nandeha nilomano no tra-doza natelin’ny ranomasina omaly tolakandro. Efatra mianadahy, vavikely ny iray ary mpiray vodirindrina, izy ireo no niara-nilalao ka nifampitaona nankeny amoron-dranomasina. Ny roalahy no nilomano, ny iray manana fahasembanana, moana, nitazona ny ankanjo teo amin’ny tora-pasika. Ny vavikely no nilomay nampilaza tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo rehefa nahita azy roa lahy sempotra tao anaty ranomasina.

Nifamonjena ny fanavotana tao anaty ranomasina. Adin’ny iray taorian’ny antso vonjy no hita ny tovolahy kely iray 13 taona, ary nentina namonjy hopitaly nialana nenina saingy tsy avotra ny ainy.

Androany maraina, tamin’ny valo ora latsaka fahefana teo no hita teny amin’ny tora-pasika ny vatana mangatsiakan’ny zazalahy faharoa nanjavona hatry ny omaly io koa.

Hiala aty Sambava rahampitso hiazo an’Antananarivo, fiaviany, ny vatana mangatsiaka.

 

Publié dans Tselatra

60 ans plus tard, l’ancien site de décharge sauvage de Tsongobory a finalement été réhabilité. Cela faisait en effet plus de 60 ans que la ville de Toliara et ses environs déversaient leurs déchets sur cette zone basse inondable, située à proximité du Fiherena. Un endroit insalubre et complètement envahi par les déchets, qui se reconnaissait des kilomètres en avance à cause des odeurs qui s’y échappaient.

Aujourd’hui, l’endroit est devenu propre et a été entièrement assaini. Ce, grâce aux efforts menés par la Commune urbaine de Toliara et le projet PASSAT/Welthungerhilfe. En lieu et place d’un immense dépotoir, c’est désormais un endroit où habiter pour des dizaines de propriétaires. Ils ont été plus de 100 personnes chaque jour à être mobilisées pour remettre en l’état cet endroit. Le projet a ainsi organisé des semaines entières de journées de travail à haute intensité de main d’œuvre ou HIMO dans le cadre d’une action Argent contre travail (ACT).

Publié dans Sociale
mardi, 19 décembre 2017 09:23

Syndrome de Stockholm

Le syndrome de Stockholm désigne un trouble psychique qui affecte des personnes prises en otage et qui, au cours de leur captivité, tissent des liens d'empathie (voire d'amitié) avec leurs ravisseurs.

Ce syndrome doit son nom à une prise d'otages ayant eu lieu à Stockholm en 1973. Les otages, une fois libérés, refusèrent de témoigner contre leurs ravisseurs, certains allèrent même leur rendre visite en prison.

Du point de vue psychologique, cette réaction serait due à la situation particulièrement stressante vécue par les otages qui les amènerait à s'identifier aux agresseurs.

Ce syndrome semble être vécu par une grande partie des Malagasy qui tombent amoureux de leurs bourreaux. A commencer par l’ancienne puissance coloniale, d’abord ceux qui « regrettent le temps de la Colonisation » (naleonay tamin’ny andron’ny Frantsay) longtemps entendu durant la 1ère République.

Partir étudier, travailler et vivre (parfois clandestinement) dans l’Hexagone est considéré comme la clé à tous les problèmes et en cas de refus du visa d’entrée en France plusieurs sont prêts aux suicides !

Publié dans Editorial

Natolotra ny Andrimasom-pokonolona tetsy Andraisoro omaly alatsinany 18 desambra ny laikilen’ny fanavaozana ny trano atao « POSTE DE POLICE », izay niantohan’i Solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy teny amin’ny boriborintany fahadimy Naivo RAHOLDINA, sady Filohan’ny fikambanana mpanao asa soa FAFI V – MAPAR, izay mitentina 6 000 000 ariary eo ho eo.

Notolorana fitaovana toy ny fanamina sy torche ihany koa ny andrimasompokonolona, noho ny fisian’ny fanafihana teny an-toerana ka namoizana ain’olona ary izany no nanavaozana tanteraka ny tranon’ny andrimasompokonolona , ka nasiana “violon”,

Marihina fa io trano io dia ho atao “Poste de police », ary efa nanoratra tany amin’ny Minisitry ny Filaminana anatiny ny Solombavambahoaka Naivo RAHOLDINA, ny filohan’ny fokontany sy ny andrimasompokonolona ny 30 novambra 2017 teo nangataka mpitandro ny filaminana hiasa ao mba hisorohana ny fiverenan’ny fanafihana namoizana ain’olona toy ireny.

Publié dans Sociale

Vita tamin'ny sabotsy 16 desambra lasa teo ny final tournois foot 2ème arrondissement nokarakarain'i Députée Mapar Lanto Rakotomanga.


Nibata ny amboara tamin'izany ry zareo Ambohipo sady nahazo omby ihany koa, niondrika tamin'izany moa ny Tsiadana.

Samy nahazo maillots avokoa moa ireo finalistes roa.
Fokotany 24 no nandray anjara tamin'ity Tournois ity, ary namafisin'i Députée Lanto Rakotomanga hatrany fa ilaina ny fifankahalalan'ny tanora mba hisian'ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana, ary tsy andehanan'ny tanora hanao zavatra hafa na fisotroan-taoka, na fifohana rongony, na hanao halabotry.

Mitohy hatrany moa ny asa fanasoavana ataon'i Lanto Rakotomanga, ary hisy hetsika manokana izay ataony amin'izao faran'ny taona sy fiarabana ny taona vaovao izao.

 

Publié dans Vaovao

Manamboatra lalana eto an-tampontananan'i Mandritsara ny ministeran'ny Asa vaventy. Tapaka hisatra teo akaiky ny Tranompokonolona anefa omaly alatsinainy 18 desambra, ny bull manao asa, ka tany Ambalanatsotry vao tafajanona rehefa namantana tamin'ny trano iray.

Zaza roa naratra mafy vokatr'izany, ka tsaboina ao amin'ny hopitaly.

 

Publié dans A la Une