Filtrer les éléments par date : lundi, 23 octobre 2017

Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny valanaretina pesta dia nasiana “barrage sanitaire” eny Belobaka izay toerana fanaovana fanaraha-maso ireo fiara miditra sy mivoaka ny lalam-pirenena faha 4 aty Mahajanga.

Na ny zotra nasionaly, na ny rezionaly na fiaran'olontsotra dia tsy maintsy mandalo fizahana avokoa.

Fizahana maripana amin'ny alalan'ny “thermomètre infrarouge” no atao mandritra ny fizahana. Mampanano sarotra ny fampiasana ity fitaovana ity noho ny tsy fahafantaran'ny ankamaroan'ny olona azy ity ka atahorany, indrindra ireo avy any ambanivohitra.

Tsy ampy ny fanentanana sy ny fampahafantarana ka mandà ankitsirano tsy ho tsirihina ny sasany.

Publié dans Vaovao

La cérémonie de remise d’écharpe au Sénateur Rivo Rakotovao se déroulera cet après-midi à Anosikely. Le désormais ancien ministre auprès de la présidence chargé de l’agriculture et de l’élevage est nommé Sénateur le 12 octobre 2017 pour remplacer Ahmad, après l’élection de ce dernier à la tête de la Confédération africaine de foot-ball l’an dernier.

Publié dans Fil info

Nanomboka androany alatsinainy 23 oktobra 2017, dia niverina an-tsekoly ireo sekoly Katolika sy sekoly tsy miankina sasantsasany eto Mahajanga tampon-tanàna.

Nanazava ireo mpitantana Sekoly nampiditra mpianatra ireo fa any ampianarana dia voafehy kokoa ireo mpianatra noho ny lasa mirenireny mandritra ny tsy maha eo ny ray aman-dreny fa lasa miasa.

Nahoana ireo mpiasa marobe any amin'ny orin'asa hoy izy ireo no manohy miasa, sa ve fialana andraikitra hilazana fotsiny fa tsy tany am-pianarana no nahazoana ny aretina.

Ambonin'izany, tafiditra fatiantoka izy ireo satria tsy maintsy handoa karaman'ny mpiasa sy ny mpampianatra kanefa ireo ray aman-dreny tsy manaiky handoa ny saram-pianarana volana oktobra raha tsy mbola miverina ny fampianarana. Iza hoy izy ireo no iantoka izay karaman'ny mpampianatra izay?

Tsy nanaiky io fanapahan-kevitra io ny Prefen'i Mahajanga sy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ka nampiantso fivoriana vonjimaika niarahana tamin’ireo talen-tsekoly rehetra.

Nafana ny adihevitra tao amin'ny biraon'ny Préfet niaraka tamin'ny DREN, CISCO ary ny komity miady amin'ny pesta izay naharitra ora telo.

Publié dans Vaovao

Notsindromin'ity lehilahy ity tamin'ny "tourne-vice" ilay rangahy mpampiasa azy satria nolazaina fa tsy nety nandoa ny karamany. Lasan’i Limby ny vola mitentina 4 tapitrisa Ariary saika hividianana moteran’ny fiara dia iny izy no nitsoaka. Namoy ny ainy kosa ilay mpampiasa azy.

Tao amin'ny toby fiantsonana rejionaly Mahajanga izy no voasambotry ny polisy ny herin'andro lasa teo ary hatolotra ny Fitsarana anio alatsinainy 23 oktobra 2017.

 

Publié dans Tselatra

Ny 1 ka hatramin’ny 10 oktobra 2017 teo no nisian'io firehetan'ny ala io. Tsy mbola fantatra ny tena antony nahamay azy io fa raha ny fanazavana avy amin'ny Tale mpitantana ny alan’Ankarafantsika dia olona iray no efa nampidirina am-ponja noho ny fandorona io ala io.

 

Publié dans Tselatra

Roalahy, dia Barivelo Romain sy Ravony Marcellin, izay voalaza fa nandray nanjara tamin'ny herisetra ka namparatra mafy an'i Rah-Ckiky ireto vosambotry ny Polisin'ny FIP Toamasina ireo, omaly antoandro. Anatin’ny fanadihadiana azy ireo ny Polisy amin’izao.

Ny alahady 1 oktobra 2017 tokony tamin'ny 3 ora maraina izy ireo no nanafika an’ity mpanakanto ity tao an-trano fonenany. Naratra mafy Rah-Ckiky tamin’io. Notsaboina tao Toamasina izy, avy eo nankarina nanohy fitsaboana taty Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra

Notontosaina ny marain'ny alatsinainy ity ny fivorian'ny ray aman-drenin'ny mpianatra amin'ireo sekolim-pinoana Katolika manerana ny Cisco Fianarantsoa.

Ny tolakandro no ifampiresahan'ireo tale miaraka amin'ny DIDEC ny vokatr'izany fanangonan-kevitra izany.

Tsy ahenoana resaka kosa ny sekoly tsy miankina hafa.

Voafehy ny fihanaky ny aretina pesta etsy an-daniny satria efatra sisa ny olona tsaboina eny amin'ny hopitaliben'i Fianarantsoa amin'izao fotoana izao raha ny filazan'ireo tompon'andraikitra.

 

Publié dans Tselatra

La population demande à ce que les mesures sanitaires soient renforcées pour éviter tout risque de propagation de l'épidémie.

Effectivement, au départ d'Ambodivona selon les passagers, il n'y a rien comme contrôle ni mesures sanitaires jusqu'à Mahajanga, comme à l'allée ou au retour.

Certain bureau des coopératives des transporteurs parle que juste le manifold, liste des passagers, est tamponné sans contrôle.

 

Publié dans Fil info

Nivoaka ny faritry ny sekoly, nidina an-dalambe nilahatra nihodidina ny tanàna io maraina io ny mpianatry ny Lycée Ranoavimanana Norbert vokatry ny fanendrena provizera vaovao ao amin’ity sekolim-panjakana aty Ambatondrazaka ity.

Ny herinandro lasa iny dia efa nitokona ihany koa ny mpampianatra ao amin’ny Lycée ity, manohitra ny fanendrena io provizera vaovao io.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 23 octobre 2017 12:11

Justice: Le SMM poursuit sa grève

Le SMM attend la réponse du gouvernement par le biais du ministère de la justice par rapport à ses revendications. En attendant, la grève continue, pourtant certains magistrats assurent un service minimum.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2