Filtrer les éléments par date : lundi, 16 octobre 2017

Ny minisitry ny fizahantany, Ratsiraka Roland, no nanambara nandritra ny diany teto Toamasina ny zoma 13 oktobra lasa teo fa efa mahatratra 20% hatramin’ny 30%-n’ny famandrihana nataon’ireo mpizahatany nikasa ho eto Toamasina no efa nanafoana izany, vokatry ny fisian’ny valan’aretina pesta.

Mitohy ny fanentanana amin’ny fanadiovana sy ny fandraharaha fanafody amin’ireo efitrano fandraisam-bahiny sy ireo trano fisakafoanana, hanomezana toky ireo mpizahantany.

 

Publié dans Tselatra

Tonga marobe naneho ny fiombonana amin'ny fianakaviana sy ny vahoaka Malagasy ny vondrona Mapar izay notarihan'i Filoha Andry Rajoelina io tolakandron'ny alahady 15 oktobra io.

Notsindriany tamin'izany ny Lova navelan'ny Filoha Zafy Albert dia ny Fahamarinana sy ny Démokrasia.

Tonga naneho ny fitiavana ireo Namana maro satria tokoa Ny Fitiavana no lehibe indrindra.

 

Publié dans A la Une
Page 2 sur 2