Antsiranana: Nofohazina ny Lycée Zafy Albert
Nisy hetsika notanterahina tao amin’ny lycée Antsiranana androany, nanamafisana fa dia mitondra ny anaran’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert ity liseam-panjakana ity. Nanatrika izany ny solontenam-panjakana eto Antsiranana notarihin’ny préfet, notronin’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena DIANA ary natrehin’ny mpanao gazety.
Efa 20 taona izay no efa mitondra ny anaran’ny filoha teo aloha io lisea io, saingy ny zava-nisy dia lycée Mixte hatrany no nankalazaina ary ny nahagaga aza dia nisy fotoana izay mpiadina BEPC ka nanao fangatahana hiditra “seconde” ka nametaka izany Lycée Zafy Albert izany dia nolavina na tsy nekena avy hatrany ny fangatahany. Androany vao nindrahindraina ny fisian’io Lycée Zafy Albert io.
Mahajanga: Jiolahy roa nosamborim-potsiny
Teo am-piandrasana ny olona hotafihana izy roalahy ireo no tratry ny velapandriky ny polisy rehefa nahazo loharanom-baovao mari-pototra.
Ny alatsinainy 09 oktobra teo no nisy nampandre ny polisy avy amin'ny Police Judiciaire Mangarivotra fa misy roa lahy mampiahiahy ao amin'ny fokontany Mahatsinjo. Rehefa nofotopotorana dia fantatra fa mikasa hanakana ramatoa iray mitondra vola 40 tapitrisa Ariary, karaman'ny mpiasa amina orinasa iray izy ireo.
Nidina avy hatrany nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary tena teo tokoa ireo roalahy voalaza niaraka tamina kitapo babena iray. Avy hatrany da natao ny fisamborana saingy namaly tamin'ny antsy izy ireo. Raikitra ny fifampitolomana ary nandratra polisy iray. Voatery nanapoaka basy ireo polisy.
Vangaindrano: Miditra an-tsehatra ireo Ampanjaka 3 troky
Ho fisorohana ny fidiran'ny pesta eto Vangaindrano dia nivahiny tao amin’ny radio Feon'i Menagnara (RNM Vangaindrano) ny Ampanjaka 3 troky androany mandrara ny fitondrana aty Vangaindrano ny razana voamarina fa voan'ny peste sy ny fanaovana doby na fiandrasam-paty.
CHU PZaGa Androva: Nohavaozina ny tranompaty
Vita ny fanavaozana ny tranompaty (Morgue) eny amin' ny hopitalin'Androva Mahajanga rehefa tsy nisy fanamboarana nandritra ny taona maro. Efa tena potika tanteraka ity toerana ity kanefa tena manana ny asany ao anivon'ny hopitaly.
Tolotanana avy amin’ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fivarotana kojakoja fanamboarana trano maromaro notarihin'ny filohan'ny TVHFB (Tanora Vonona Hampandroso ny Faritra Boeny), Abdallah Rosalie no nahavitana izao ezaka izao.
FLM: Nahemotra ny fankalazana Jobily noho ny pesta
Antsiranana: Nisy lamesa natokana ho an'i Pr Zafy Albert
Notanterahina io hariva io tao amin'ny Katedraly EKAR Place Kabaro izany, fangatam-pitahiana ho fialantsasatry ny fanahiny.
Palais des Sports: Levée du Corps Zafy Albert
La dépouille de l'ancien Président Zafy Albert a quitté Antananarivo ce jour.
Il rejoindra sa région natale Betsiaka Ambilobe par terre, et sera enterré ce samedi 21 octobre 2017.
16 octobre
Journée Mondiale de l'alimentation
Journée mondiale du pain
Journée mondiale contre la douleur
Kianja Rabemananjara Mahajanga: Nitroatra ireo mpitia baolina kitra, raikitra ny tora-bato
Tonga hatrany ambony kianja ny tora-bato avy any ivelan'ny tamboho nataon'ireo olona tsy navela hiditra hijery baolina tao amin'ny kianja monisipaly Rabemananjara Mahajanga omaly alahady 15 oktobra.
Tezitra ireo mpitia baolina kitra tonga marobe tsy navela hiditra. Mbola noho ny fisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina pesta ihany no antony raha ny fanambarana.
Raikitra ny sakoroka ka tonga teny an-toerana hatramin'ny EMMO-REG nanaparitaka ireo olona tamin'ny entona mandatsa-dranomaso.
Conseil du Fampihavanana Malagasy: Polémique sur l’élection des membres de bureau
Les trente trois membres du Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM) ont procédé à la constitution du bureau permanent, sans attendre la décision de la Haute Cour Constitutionnelle sur la constitutionnalité ou non du règlement intérieur du CFM, contrairement à ce qui a été fait lors du précédent FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy).
La décision de la HCC, quand elle sera rendue, va-t-elle influencer sur les résultats de vote ? Une nouvelle élection va-t-elle organiser, ou va-t-on en rester sur ces résultats du forcing ?
Maka Alphonse est élu président du CFM, lors de l’élection à deux tours vendredi. L’élection des autres membres du bureau permanent s’est déroulées le samedi 14 octobre.