Filtrer les éléments par date : mercredi, 11 octobre 2017

Rakotoarivony Marie William est nommé, en conseil des ministres qui s’est tenu ce mercredi 11 octobre, Directeur du Service Autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo (SAMVA) auprès du Ministère de l’Eau, de l’Energie et des Hydrocarbures.

Il remplace Ratolonjanahary Dany Jean Baptiste, occupant jusque-là le poste du Directeur général.

 

Publié dans Fil info

Mbola firenena afaka ivezivezena i Madagasikara na eo aza ny valanaretina pesta, hoy ny solotenan'ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana momba ny fahasalamana eto Madagasikara.

Ratsy ho an'i Madagasikara raha latsaka anaty sokajy faha-3 satria dia voatery hitoka-monina ity Nosy ity.

 

Publié dans Tselatra

Androany alarobia 11 oktobra fotsiny dia efa in'efatra tapaka ny jiro teto Ambatondrazaka. Milina simba no nambaran'ny teo anivon'ny Jirama no mitarika izao fahatapatapahan-jiro izao.

 

Publié dans Tselatra

Tokony efa niainga androany fa tsy vita ny taratasy ka miandry rahampitso ny fiaingana, araka ny fanazavan'i Tabera Randriamanantsoa, filoha nasionalin'ny antoko Kintana sady mpandrindra nasionalin'ny CRN (Conseil pour la Réconciliation Nationale).

Tsaboina ao amin'ny Polyclinique Ilafy hatry ny antoandro teo ity filoham-pirenena teo aloha sady filoham-boninahitry ny antoko UNDD ity, rehefa tratry ny tsy fahasalamana tampoka ka tsy nahatsiarovany tena. Nentina tao amin'ny hopitaly Befelatanana izy nialoha ny namindrana azy eny Ilafy.

Miandry ny filazana ny tena fototr'aretina izahay, hoy ny fanambaran'ny UNDD, antokony.

 

Publié dans Tselatra

Après être admis à l’hôpital polyclinique d'Ilafy, l'ancien Président de la République sera évacué vers l’île Maurice. Une évacuation prévue ce jour mais reportée pour demain jeudi 12 octobre pour cause de formalité administrative.

Le Professeur Chirurgien cardiologue a 90 ans actuellement.

Publié dans Fil info
mercredi, 11 octobre 2017 20:19

Moramanga: Hanao fanadiovana faobe

Amin’ny zoma 13 oktobra izao no andro voatondro hanaovana io fanadiovana faobe io, hisorohana ny fihanaky ny valanaretina pesta. Nentanina ny tsirairay hanadio isan-tanàna, ny birao, sekoly, hopitaly, tsena…

Hiato araka izany ny asa aman-draharaha fa haompana amin’io fanadiovana io ny fotoana.

Publié dans Tselatra
mercredi, 11 octobre 2017 16:34

Andapa: 50.000 Ar ny saribao iray gony

Lafo vidy ny arina fandrehitra eto Andapa, faritra SAVA. Tafakatra 50.000 Ariary ny saribao iray gony ary 3000 Ariary ny iray sceau.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 11 octobre 2017 16:14

Vangaindrano: Fanadiovana faobe ny tanàna

Niara-nientana ny mponina nanatontosa hetsika faobe nanadiovana ny tanàna mba hisorohana ny fidiran'ny pesta eto Vangaindrano.

Samy nitondra ny anjara birikiny avy na ireo antoko politika samyhafa na ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina ary ireo mpianatra. Ny loholona Thu Jaune Horace Man no niantoka ny fanafody nafendraka sy kamiao nitanterana ireo fako.

Maro ihany koa ireo mpandraharaha nanao tolo-tanana. Samy nahatsapa ny rehetra ny mahazava-dehibe ny ady amin'ny pesta na dia mbola tsy tafiditra eto.

Nanentana an'ireo sampandraharaha sy ny any amin'ny Fokontany ihany koa ny lehiben'ny Distrika mba samy hanadio ny manodidina azy ka isany tsy diso anjara ireo sekoly.

Mailo tanteraka ny eto Vangaindrano ny mba tsy hidiran'ny pesta eto.

 

Publié dans Tselatra

Nandray fepetra ny fari-piadidiana ny fampianarana (Cisco) Antsirabe voalohany ka nampiato ny fianarana nanomboka androany alarobia 11 oktobra ka hatramin’ny alatsinainy 16 Oktobra ho avy izao.

Raha ny fanazavan-dRakotoson Henri, lehiben’ny Cisco Antsirabe I dia ho fiarovana ny mpianatra dia tsy maintsy nandraisina izao fanapahan-kevitra izao na dia tsy mbola misy ny trangana pesta niseho aza.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 11 octobre 2017 16:07

Peste Antsiranana: Mora misahotaka ny olona

Nisy mpianatry ny oniversite nande ran’orona. Tonga dia niantsoan’ny namany ambulance. Natao ny fitiliana, tsy misy mampiahiahy ny aminy fa totongan-dran’orona (tôntogno) no nahazo azy noho ny hafanan’ny andro.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa