Mondial 2018

    • jeudi, 28 juin 2018 21:58
    • Sary Net

    Kitra-Mondial 2018: Raraka avokoa ireo solontena afrikana

    Nifarana alohan’ny fotoana ny fandraisana anjaran’i Afrika amin’ny Mondial 2018 tanterahina any Rosia. Tsy nisy tafavoaka tao anaty vondrona nisy azy ireo ekipa miisa dimy solontenan’i Afrika, dia Egypte, Maroc, Tunisie, Nigéria ary Sénégal.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 juin 2018 09:22
    • Sary Net

    Kitra-Mondial 2018: Votsotra tanteraka teo ampelan-tanan’i Allemagne ny amboara

    Vita hatreo ny Mondial 2018 ho an’i Allemagne. Resin’i Corée du Sud tamin’ny isa 2 noho 0 i Allemagne omaly alarobia 27 jona, faharesena in-droa misesy midika fa dia mangoron’entana. Tsy nahavita niaro ny anaram-boninahitra teo ampelan-tanany, amin’ny maha tompondaka erantany azy i Allemagne. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 juin 2018 22:00
    • Sary Net

    Kitra-Mondial 2018: Mpampidi-baolina be indrindra hatreto i Harry Kane

    Lalao roa, namono baolina dimy i Harry Kane. Hatreto dia ity kapitenin’i Angletera ity no mpampidi-baolina be indrindra amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra tanterahina any Rosia ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018 ity, taorian’ny andro roa nilalaovany hatreto. Nampidi-baolina efatra avy kosa hatreto i Romelu Lukaku (Belgique) sy Cristiano Ronaldo (Portugal). (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 23 juin 2018 20:43
    • Sary net

    Kitra-Mondial 2018: Niisa 14 sahady ny “penalty” nodakana

    Tsy mifarana akory ny lalao fifanintsanana isam-bondrona dia efa miisa 14 ireo “penalty” notsofin’ny mpitsara sy nodakaina tao anatin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra tanterahina any Rosia ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018 ity. 13 ny isan’ny “penalty” nandritra ny Mondial 2014 tany Brezila. Hatreto dia 18 ny isan’ny “penalty” be indrina nandritra ny Mondial, dia ny niseho tamin’ny 1990, 1998 ary 2002.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 juin 2018 21:52

    Kitra-Mondial 2018: Tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana ny Frantsay

    Ekipa telo hatreto no efa mazava fa tafita ho amin’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra taorian’ny lalao roa vitany, amin’ny telo atrehiny amin’ny fifanintsanam-bondrona dia i Russie, l'Uruguay ary France. Efa naman’ny mangoron’entaka kosa, na mbola manana lalao iray avy hatrehina aza i Arabie Saoudite, Egypte, Maroc ary Pérou taorian’ny faharesena in-droa misesy azon’izy ireo avy tamin’ireo lalao roa vitany.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 juin 2018 23:52
    • Sary Net

    Kitra-Mondial 2018: Sénégal no nitondra fandresena voalohany ho an’i Afrika

    Ny ekipan’i Senegal no nibata fandresena voalohany tamin’ireo solontena dimin’i Afrika (Egypte, Maroc, Tunisie, Nigéria, Sénégal) mandray anjara amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra atao any Rosia ity. Nandresy an’isa 2 noho 1 nanoloana an’i Pologne androany i Sénégal, tamin’ny lalao voalohany natrehiny.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 juin 2018 23:42
    • Sary Net : Aliou Cissé

    Kitra-Mondial 2018: Aliou Cissé no mpanazatra zandriolona indrindra

    41 taona, ilay mpanazatran’ny ekipam-pirenena Senegaley, Aliou Cissé no zandriolona indrindra amin’izy 32 lahy mpanazatran’ireo ekipa mifaninana amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, andiany faha-21 tanterahina any Rosia ity. I Óscar Tabárez izay mpanazatran’i Uruguay kosa no zokiolona indrindra amin’ity andiany ity, 70 taona ny lehilahy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 juin 2018 23:34
    • Sary Net

    Kitra-Mondial 2018: Azon’i Rosia nialohan’ny fotoana ny tapakila ho an’ny ampahavalon-dalana

    Fandresena indroa nisesy, 5 noho 0 nanoloana an’i Arabia Saodita sy 3 noho 1 nanoloana an’i Ejipta, no vokatra azon’i Rosia tamin’ny lalao roa natrehiny. Ampy hiakarany amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra io. Fiadian-toerana laharana voalohany ao amin’ny vondrona A misy azy sisa ny lalao fahatelo hatrehiny izay hifandonany amin’i Uruguay. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 juin 2018 23:22
    • Sary Net

    Kitra-Mondial 2018: Rava ny nofinofin’i Mohamed Salah

    Lalao roa, faharesena roa. Izay no vokatra azon’i Ejipta ao amin’ny vondrona A misy azy amin’izao Mondial izao. Resin’i Rosia mpampiantrano tamin’ny isa 3 noho 1 izy ireo androany. Tsy hanova na inona na inona ny lalao fahatelo hifanandrinan’i Ejipta amin’i Arabia Saodita. I Ejipta izany no ekipa voalohany hangoron’entana amin’ity Mondial ity. Rava teo ny nofinofin’i Mohamed Salah, mpilalao nandrandrain’ny Ejipsiana tokoa. Namono “penalty” izy androany tamin’ny fihaonany tamin’i Rosia, izay baolina tokana azon’i Ejipta.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 juin 2018 23:01
    • Sary Net

    Kitra-Mondial 2018: Nandiso ny kajikajy ny Japoney

    Noporofoin’i Japoney fa tsy tonga hitsangatsangana izy ireo amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra tanterahina any Rosia ity, fa hitady fandresena ; ary dia vitan’izy ireo izany tamin’ny lalao voalohany natrehiny androany, ka nandreseny 2 noho 1 an’i Colombie, ao amin’ny vondrona H.    
    Lire la suite ...
Page 2 sur 4