Kitra-Mondial 2018: Tompondaka ny Frantsay

  • lundi, 16 juillet 2018 07:57
  • Sary Net

Norombahan’i Frantsa fanindroany ny amboara erantan’ny amin’ny baolina kitra, roapolo taona taorian’ny nahazoany izany voalohany ny taona 1998. Tamin’ny isa 4 noho 2 no nandresen’i Frantsa an’i Croatie tamin’ny famaranana omaly tany Rosia.

Mbola mpilalao frantsay no zandriolona indrindra nandray anjara tamin’iny andiany faha-21 tamin’ny Mondial iny ary nahatafiditra baolina efatra dia i Kylian Mbappé, izay manana ila kameroney.

Niatrika ny lalao famaranana ny filoha frantsay Emmanuel Macron, ny filohan’i Croatie Rtoa Kolinda Grabar-Kitarović, ary ny filoha rosiana izay nampiantrano ny lalao, Vladimir Poutine.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.