Kitra-Mondial 2018: Tafita hiatrika famaranana i Frantsa, fanintelony tao anatin’ny 20 taona io

  • mercredi, 11 juillet 2018 09:21
  • Sary Net

Ny fandresena an’isa 1 noho 0 nanoloana an’i Belgique teo amin’ny lalao manasadalana ny talata 10 jolay alina, no nitondra ny telosoratra frantsay amin’ny famaranana ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra.

Tonga nanohana an'i Frantsa tamin'ity lalao halina ity ny filoha frantsay Emmanuel Macron.

Fanintelony amin’izao i Frantsa no hiatrika famaranana taorian’ny 1998 nivoahany nandresy nanoloana an’i Brésil sy 2006 niondrehany nanoloana an’i Italia. Miandry izay tafavoaka mpandresy eo amin’i Croatie sy Angleterre izy ireo amin’ny 15 jolay hanaovana ny famaranana ao Moscou.

280.000 euros na 1 miliara Ariary isan'olona no fankasitrana ireo mpilalao frantsay tonga amin'izao famaranana izao.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.