Kitra-Mondial 2018: Adin’ny samy Eôrôpeana 100% ny tohiny

  • dimanche, 08 juillet 2018 10:25
  • Sary Net

France, Belgique, Angleterre ary Croatie, ireo no ekipa efatra tonga eo amin’ny manasadala amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, tanterahina any Rosia ny 14 jona ka tramin’ny 15 jolay 2018.

Frantsa nandresy 2 noho 0 an’i Uruguay. Belgique nandrava ny nofinofin’i Brésil, rehefa nirava 2 noho 1 ny roa tonta. Angleterre nanilika an’i Suède tamin’ny 2 noho 0. Taorian’ny “tirs au but” 4 noho 3 kosa i Croatie no namarana ny dian’i Russie mpampiantrano rehefa nirava sahala 2 noho 2 ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna.

Adin’ny samy Eôrôpeana 100% ny tohiny. Tsy hivoaka ao Eorôpa izany ny amboara amin’ity andiany faha-21 ity, na naniry ny handrombaka izany aza i Brésil sy Argentine.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.