Kitra-Mondial 2018: Nihosona niaraka tamin’ny mpanohana ny ekipany ny filohan’i Croatie

  • mardi, 03 juillet 2018 11:40
  • Sary Net

Nandray zotra-mpiaramanidina tsotra niaraka tamin’ireo teratany kroaty, niala tao Croatie niazo an’i Russie hanohana ny ekipam-pirenen’i Croatie, ny filoha Kolinda Grabar-Kitarović nandritra ny lalao ampahavalon-dalana nandresen’i Croatie an’i Danemark tamin’ny « tirs au but » 3 noho 2, rehefa nirava sahala 1 noho 1 ny ekipa roa tonta, ny alahady 1 jolay 2018.

Nihosona niaraka tamin’ny mpanohana teny amin’ny « gradin » ramatoa filoha nandritra ny lalao, fa tsy namonjy ny toerana voatokana ho an’ireo manampahefana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.