Akademia Miaramila Antsirabe: Notolorana mari-pahaizana ireo andiany nahavita fiofanana

  • jeudi, 27 août 2020 22:20
  • Sary: Fiarovam-pirenena

Notanterahina androany alakamisy 27 aogositra 2020 ny lanonana fanolorana ny mari-pahaizana ireo andiany nahavita fiofanana tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe.

Andiany telo izy ireo, dia ny andiany mivantana faha-41, ny andiany iraisam-piadiana faha-21, ary ny andiany manokana faha-25 mpianatra ho manamboninahitra mpanamory.

Teo ambany fitarihan'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard ny lanonana.

(Loharanom-baovao: Fiarovam-pirenena)

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.