Halatra « Pont Bailey » : Kolonely iray sy mpamily nidoboka am-ponja

  • jeudi, 27 août 2020 21:41

Namoaka an-tsokosoko ireo vy rehetra mandrafitra « Pont Bailey » iray nipetraka tao amin’ny toerana fitobian’entana teny Andohatapenaka ity kolonely iray eo anivon’ny Tafika ity, ary nivarotra izany tamin’ny sandany 20 tapitrisa Ariary teo.

Nanao tatitra mikasika ny famoahana an-tsokosoko ireo vy ireo ny tompon’andraikitra tao amin’ny OTU (Office des Travaux d'Urgence) rantsana teo ambany fiahian’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, saingy efa nofoanana ankehitriny.

Tonga teny amin’ny Fitsarana ny raharaha ary niakatra Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo tamin’ny herinandro lasa iny.

Naverina androany ny raharaha satria tsy tonga ilay kolonely tamin’ny fotoana nampakarana ny raharaha voalohany, sady mbola niandry ny fanomezan-dalana avy amin’ny lehibeny nahafahana manenjika azy (autorisation de poursuite).

Nidoboka am-ponja eny Antanimora ilay kolonely taorian’izay, toy izany koa ny mpamily nitatitra ny vy izay voarohirohy tamin’ity raharaha ity.

Mbola karohina kosa ny mpividy na mpandray ny entana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.