Ady amin’ny Covid-19: Tonga ireo « concentrateurs d'oxygène » andiany faharoa miisa 1095

  • mercredi, 12 août 2020 15:21
  • Sary nindramina

Nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny fiaramanidina nitondrana ny andiany faharoa amin'ireo « concentrateurs d'oxygène » miisa 1095. Tohin'ireo efa tonga tamin'ny 09 Aogositra 2020 lasa teo ireto.

Misitraka izao fampitaovana izao avokoa ireo hopitaly lehibe rehetra manerana ny Nosy, izay mandray ireo mararin'ny Covid-19. Nanamafy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Ahmad Ahmad fa ny tanjona voalohany ampiasaina ireo fitaovana ireo dia ny hanafoanana tanteraka ny isan'ireo aina hafoy amin'ny valanaretina "Coronavirus", noho ny tsy fahampian'ny fitaovam-pitsaboana, araky ny efa nambaran'ny Filoham-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.