Malaimbandy- Mahabo: Navelan’ireo dahalo ny basy, naleon’izy ireo nitsoaka

  • mardi, 11 août 2020 21:02
  • Sary: ZP

Saron’ny Zandary nandritra ny savahao nataon’izy ireo tao Morafeno Fokontany Ambonara Kaominina Malaimbandy Distrika Mahabo ny 5 aogositra teo ny kitapo iray, basy poleta nisy bala tokana, basimborona roa sy fitaovana samihafa fikojakojana basy ary omby iray.

Toerana fiafenan’ny dahalo io Morafeno io. Nisy dahalo dimy tao tamin’io fotoana io, saingy vaky nandositra raha nahatazana ireo zandary tonga hisambotra azy ireo, ka tavela ireo fitaovam-piadiana ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.