Isoanala- Betroka: Olona roa avy namonjy fetim-pianakaviana maty nisy nitifitra

  • mardi, 11 août 2020 20:58

Teny an-dalana hamonjy fodiana ireto olona roa ireto, rehefa avy namonjy fetim-pianakaviana tao Sakoamasy, Kaominina Isoanala no nisy nitifitra tao anaty haizina ka maty tsy tra-drano.

Ny alahady 9 aogositra tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva no niseho ny loza tao Antsonjomalinika, 6km miala ny renivohitry ny Kaominina Isoanala.

Mbola karohina ireo nahavanon-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.