Tsy fanjarian-tsakafo nateraky ny Covid-19 : Nanolotra 5 tapitrisa dolara i Etazonia

  • mardi, 11 août 2020 20:40
  • Sary nomena

Nanolotra vola 5 tapitrisa dolara (19 miliara ariary) ny governemanta Amerikana, tamin’ny alalan’ny masoivoho Amerikana ho amin’ny fampandrosoana iraisam-pirenena, hanohanana ny fandaharan’asa fandefasana vola, izay hanampy ireo fianakaviana marefo eto Antananarivo Renivohitra hahafahan’izy ireo hanana sakafo ampy.

Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo na ny PAM no mitantana sy mizara io fanampiana amerikana io, izay hamaly ny filana ara-tsakafon’ny olona miisa 323 000 eto amin’ny tananan’Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina, Moramanga, Taolagnaro ary Manakara.

Ny fianakaviana tsirairay dia hahazo vola 100 000Ariary isam-bolana mandritra ny roa volana.

“Maniry ny hanohana ara-tsakafo ireo fianakaviana marefo sy sahirana sy hanome tosika ireo orinasa eo an-toerana izahay”, hoy ny Masoivoho amerikana, Michael P. Pelletier.

“Amin’ny alalan’io vola io dia afaka hividy sakafo sy ireo zavatra ilaina amin’ny andavanandro eny amin’ireo tsenam-pokotany ireo fianakaviana ireo, ary hanohana ny orinasa eny an-toerana sy ny toe-karena izany”.

Marihina fa efa nanome vola mitentina 2,5 tapitrisa dolara ihany koa ny governemanta Amerikana, ho valin’ny antso nataon’ny governemantan’i Madagasikara manoloana ny valanaretina Covid-19, ho fanohanana ireo hetsika vonjitaitra ara-pahasalamana, ary mbola nanolotra 2,2 tapitrisa dolara fanampiny, ho fanohanana ireo tetikasan’ny USAID manodidina ny fahasalamana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.