BEPC sy Bakalorea: Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana ny adina ara-panatanjahantena

  • mardi, 19 mai 2020 20:23
  • Sary nindramina

Miankina amin’izay ho toe-javamisy manoloana ny aretina Covid-19 ny vanim-potoana hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena (EPS) ho an’ny fanadinana BEPC sy Bakalorea. Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana azy.

Nisy androany Talata 19 mey fiarana-nikaroka vahaolana niarahan’ireo mpampianatra EPS matihanina amin’ny ambaratonga faharoa, niaraka tamin’ireo « proviseurs» sy talen’ny CEG avy eto Antananarivo sy ny manodidina, ary teknisiana ambony avy amin’ny oniversite, notanterahina tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena sy ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa Anosy.

Fiomanana ny amin’izay fanapahan-kevitra tokony horaisina amin’ireo fanadinam-panjakana ireo no nifampidinihana tamin’izany, toy ny fisafidianana ny taranja tokony sy tsy azo atao ; ny lamina apetraka rehetra mialoha sy mandritra ny fanadinana ; ny fanomanana ireo mpiadina sns.

Hatolotra ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena sy ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa. ny soso-kevitra nivoitra hotapahina.

Ny DES (Direction de l’enseignement secondaire) no namory ireo tomponandrakitra ireo, izay natrehin’ny Sekretera Jeneraly, ny Talen’ny Kabinetra ary ny Tale Jeneralin’ny Fanabeazana Ambaratonga faharoa sy ny Fanofanana ny daholobe (DGESFM) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena sy ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.