Toamasina: Fitsidihana voalohany nataon'ny Filoha Andry RAJOELINA mandritra ady Covid-19

  • vendredi, 08 mai 2020 20:32
  • Sary nomena

Feno dia feno ny Programan'ny Filoham-pirenena nandritra ny fitsidihany an'i Toamasina ny alakamisy 07 may 2020:

- Nanoloana ny Lapan'ny tanana: Fanokafana ny asa Fitiliana faobe karakaraina ho an'ny vahoakan'i Toamasina. Marihina fa miakatra be ny isan'ny olona voatily ka mitondra ny otrik'aretina Coronavirus eto Toamasina;
- Manoloana ny Biraon'ny Paositra Be: Fanokafana ny fizaràna ny TOSIKA FAMENO;
- Tao amin'ny EPP Maurice Guyot araben'ny Fahaleovan-tena:
Fanolorana ireo Raki-bolana na dictionnaires miisa 18 000 anjaran'ny Faritra Atsinanana;
- CHU Hôpitaly-Be Analankininina: Fitsidihana ny "Centre de traitement des déchets medicaux", sy fandraisana ireo fitaovam-pitsaboana avy amin'ny mpiara-miombon'antoka;

- CHU Manara-penitra MORAFENO:
* Fitsidihana ny "Laboratoire mobile" sahanin'ny Institut Pasteur de Madagascar,
* Nikabary nanentana sy nankahery ireo mpiasa rehetra ato amin'ity ivon-toerana mitsabo ireo marary eto Toamasina; sady nitondra ny lela-vola "Prime" ho an'izy ireo;
* Nandray ireo "appareils respiratoires" natolotry ny orin'asa Ambatovy.

Nisy koa ny fanambarana nataon'i Filoha Andry Nirina RAJOELINA, nilazany ny tsy fahafaham-pony manoloana ny fihanaky ny aretina, mila mitandrin-tena sy manaja ny fitsipika sy ny fandaminana rehetra isika,hoy hatrany izy, ary misotro ny Tambavy CVO izay fiarovana ho an'ny rehetra. Nisy koa ny fivoriana nanomezany toro-marika hentitra an'ireo tompon'andraikitra rehetra eto an-toerana.

Zava-dehibe ho an'ny ady amin'ny aretina Covid-19 izao fandalovan'ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA teto Toamasina izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.