Tsiaro ny Tolom-panafahana 1947: Lanonana tsy atrehim-bahoaka no hisy eny amin’ny Mausolée

  • samedi, 28 mars 2020 22:07

"Tolom-panafahana 1947: Ilo tsy very enti-mampandroso ny firenena", io no lohahevitra efa voafaritra ho an’ny tsingerintaona faha-73 ny Tolom-panafahana 1947 izay tsaroana isan-taona isaky ny 29 marsa.

Ho fanajana ireo fepetra noho ny Fahamehana ara-pahasalama mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia « lanonana tsy atrehim-bahoaka » no hisy eny amin’ny Mausolée Avaratra Ambohitsaina-Antananarivo, ny 29 marsa 2020 ho fahatsiarovana ny Tolom-panafahana 1947.

« Tsy hisy famoriam-bahoaka na eto an-drenivohitra na any amin’ny Faritra, tsy hisy fananganan-tsaina, tsy hisy fitsofana mozika », hoy i Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondratenin’ny governemanta.

Ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no ho avy hametraka fehezam-boninkazo eo amin’ny Fasan’ny Mahery fo, rahampitso hotronin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny minisitry ny filaminana anatiny ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

Tsy hisy olom-pirenena manatrika, eny fa na ny mpanao gazety aza, fa ny Televiziona Malagazy (TVM) ihany no haka sary sy hampita ny zava-misy eny, raha ny fanazavana hatrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.