Andry Rajoelina: « Ny ady amin’ny coronavirus aloha izao no laharampahamehana amiko »

  • lundi, 23 mars 2020 21:15
  • Sary nindramina

Nivahina nivantana tao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM ny filoha Andry Rajoelina androany alatsinainy tamin’ny 8ora hariva, nanome vaovao mikasika ny fivoaran’ny fihanaky ny coronavirus eto Madagasikara sy nampahafantatra ireo fepetra raisin’ny fitondram-panjakana hifehezana ity valanaretina ity.

Nambarany fa nisy tranga 5 vaovao androany rehefa nivaly ny fitiliana natao. Hatreto izany izao dia miisa 17 ny olona mitondra ity otrikaretina Coronavirus ity eto Madagasikara, ary olona iray fiaramanidina avokoa ireo voa ireo, ary nifanakaiky toerana. Nanipika mazava ny filoha fa « tsy misy marary namoy ny ainy ». Izay no mametraka an’i Madagasikara eo amin’ny « Stade 1 » amin’ny fiatrehana ity coronavirus ity, ary anisany antony nanomezana fahalalahana ny orinasa tsy miankina handaminan’izy ireo ny asany, araka ny fanazavany.

« Ny ady amin’ny coronavirus aloha izao no laharampahamehana amiko sy amin’ny governemanta », hoy ny filoha Rajoelina nandritra ity tafa nivantana tao amin’ny TVM ity. Tamin’izany no nilazany fa hisy fanampiana avy any Chine sy Firenena Mikambana ho avy, hahazoana fitaovana hanafainganana ny fitiliana sy « masque » izay hozaraina maimaimpoana, ka ho laharampahamehana amin’izany ireo mpiasan’ny fahasalamana mifampikasoka amin’ny marary eny amn’ny hopitaly, mpitandro ny filaminana, mpiasam-panjakana manao asa mifandraika amin’ny ady atao amin’ity valanaretina ity. Hisy ny fanadiovana isam-pokontany hatao.

Fotoana izao hoy ny filoha Rajoelina ahafahan’ny mpikaroka malagasy maneho ny mahaizy azy ireo. Nihaona tamin’izy ireo aho, nihaino azy ireo, koa manomboka rahahampitso (talata), araka ny nambarany, ankoatra ny fanafody hita fa nahomby tany Chine sy firenena hafa nitsaboana ireo mararin’ity coronavirus ity, dia hampiasaina ny voka-pikarohana malagasy toy ny raokandro Ratsimamanga, evoka ravintsara, sy fanomezana ananambo ho fampitomboana hery ireo arahi-maso ara-pahasalamana.

Mikasika ny entana ilain’ny mponina andavanandro dia nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa hanampy ny mpamongady ny fanjakana afaka telo andro. Ho ferana, hoy izy, ny vidin’entana eny amin’ny mpamongady.

Niantso ny firaisankina sy fitiavan-tanindrazan’ny Malagasy rehetra ny filoha, hiatrehana ity ady tsy hiparitahan’ny covid-19 ity, tsy hisian’ny aina afoy. Miantso ny rehetra ny tenany hanaja ny toromarika ara-pahasalamana sy fepetra napetraky ny fanjakana. Miantso ireo olona rehetra tonga avy any ivelany nanao sonia fanekena fa hitoka-monina any an-tranony ihany koa ny filoha mba hanaja izany, hiarovana ny ain’izy ireo sy ny Malagasy ihany koa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.