Coronavirus: Nampodian’ny Polisy ireo tanora mivorivory sy mipetraka eraky ny sisin-dalana

  • lundi, 23 mars 2020 20:21
  • Sary nindramina

Nidina ifotony nanentana ireo Ray aman-dreny mba tsy hitondra ny zanany hivoaka ny trano intsony ny Polisim-pirenena. Mbola betsaka ireo minia mitondra azy ireny mandehandeha eny andalam-be raha ny hita tamin’ny toerana samihafa teto Antananarivo androany.

Nampodiana ihany koa ireo tanora mivorivory sy mipetraka eraky ny sisin-dalana ho fisorohana ny fianak'ity valan'aretina ity.

Nampianatra ireo mpividy entana tsy hitangorona fa hanaja ny elanelana 1 metatra ny Polisy sy nanentana ireo mpivarotra ihany ko aizy ireo mba hiaro ny tenany noho izy ireo mifandray amin'ny mpividy isan-karazany.

(Loharanom-baovao: Polisim-pirenena)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.