Owne Alek: Taolambalony sisa hita enin-taona aty aoriana nakan’ny jiolahy an-keriny azy ny 2014

  • jeudi, 12 mars 2020 09:45
  • Sary nindramina

Hita androany alarobia 11 martsa 2020 tolakandro teo Tsarakofafa ny taolambalon'i Owne Alek Mohamed Rafick, ilay teratany Karana nisy naka an-keriny ny 24 jona 2014 ary efa nanomezan’ny ray aman-dreniny tambiny 40 tapitrisa Ariary ho an’izay manome vaovao hahitana azy velona.

Tao amina tranona mpamily kamiao no nahitana ny taolam-balony, ary efa nalain'ny fianakaviany nanaovana ny fomba rehetra tao amin'ny Mosquée Khodja eo akaikin'ny Kianja Mitafo Soavita.

Ny Zandary Fiadanana no nanao ny fanadiadiana ary nanampy azy avy eo ny sampana mpisahana ny heloka be vavaon'ny polisy Antananarivo sy ny teto Toamasina.

25 taona i Owne Alek io novonoin'ny mpaka an-keriny io, ary efa nisy olona fito voasambotra tamin'izany fa saingy afaka avokoa izy ireo nandritra ny Fitsarana tao Antananarivo ny taona 2016 na nahazo sazy mihantona roa taona sy lamandy 720 000 Ariary ny iray tamin'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.