Vaovao

    • mardi, 22 septembre 2020 15:33
    • Sary nindramina

    Toamasina: Miroso amin’ny fandravana trano ao Barikadimy ny kaominina

    Miroso amin’ny fandravana tsikelikely ireo trano miorina tsy ara-dalàna manodidina ny kianjan’i Barikadimy ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Efa nisy ireo ampahan-trano voatery noravàna ny alakamisy lasa teo ary mbola hitohy izany.Mponina ao anatin’ny velarantany mirefy 24 hekitara no tsy maintsy handao ny toeram-ponenany ato ho ato. Voalaza fa an’ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena (DRJS) Atsinanana ny tany izay antsoina hoe : “Hypodrome de Toamasina”. Tsy milaza mazava ny faritry ny tany tsy maintsy anesorana olona anefa ny tompon'andraikitra.Ny zava-misy fotsiny dia mandeha tsikelikely ny fanesoran’olona amin’ny tany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 septembre 2020 14:28

    Antsirabe: In-droa diso fanantenana ireo mpiasan’ny Zone

    Diso fanantenana ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba iray eto Antsirabe raha niverina teny amin’ny toeram-piasany ny alatsinainy maraina satria tapitra ny fe-potoana nolazaina azy ireo fa handehanan’izy ireo « fiatoana ara-teknika », noho ny hamehana ara-pahasalamana. Telo volana no efa niato tamin’ny asany izy ireo, ka io omaly io no tokony ho tapitra izany, ary nanantena ny hiverina hiasa izy ireo, saingy nambara indray fa tohizana izany « fiatoana ara-teknika » izany, ka amin’ny Janoary 2021 vao ho fantatra ny hoavin’izy ireo na tonga dia hiasa ny tsia.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 22:31

    Pilo kely: "Angaha tsy fanefitra fiarovana no sady fitsaboana ny CVO", hoy ity mpamily Taxi-be

    Voasakan'ny mpitandro filaminana ity taxi-be iray. - Papier azafady- Fa misy inona Sefo, hoy ity mpamily- Visière nareo miakatra tsy manarona tarehy, orona vava- Ka manjavona amin'ilay fofon'aina ilay izy Sefo, dia mety hitera-doza- Ny lalàna no ampihariko, omeo ny papierNisava boite à gant ty saofera, navoakany avy any carnet fokotany sy CVO tamin'ny tavoangy, efa nisotroana kely- Ity Sefo ny papier, voalaza mazava io fa fiarovana, ary raha marary dia fitsaboana, ka aiza amin'io ny filazana fa maharesy CVO ny masque nao, sady oviana sefo ny setroka échappement no atao anaty filtre à air, rivotra maloto no avoakan'ny vava, nefa teren'ny takom-bava hiakatra trohan'ny orona, ka izany ve no anasaziana olona?
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 22:25

    21 - 27 septembra: Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny olona marenina

    Ny taona 1958 no nankalazaina voalohany tany Roma (Italia) ny Herinandron’ny Olona Marenina. « Tenin’ny tanana, ho an’ny olona rehetra » ny lohahevitra nosafidian’i Madagasikara hankalazana ny Herinandro iraisam-pirenena ho an’ny olona marenina amin’ity taona 2020 ity. Tombanana ho 200 000 ny olona marenina eto Madagasikara, ka 1% ihany no mbola tena mampiasa ny tenin’ny tanana. 46 no isan’ny mpandikateny tenin’ny tànana Malagasy nahazo diplaoma. Isan’ny fitakiana ataon’ny Federasionan’ny Merenina eto Madagasikara ny hankatoavana ny tenin’ny tanana ho teny ofisialy ao anaty Lalampanorenana.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 septembre 2020 21:08
    • Sary nindramina

    Fanafihana mitam-basy tao Ankililaly – Soahazo : Votsotra sahady ny olona nahiahiana ho nahavanon-doza

    Nitrangana fanafihana mitam-basy tao amin’ny Fokontany Ankililaly, Kaominina Soahazo, Distrika Toliara II, roa herinandro lasa izay. Olona roa no namoy ny ainy, ary iray hafa maratra mafy. Trano iray ihany koa no nodoran’ireo nanafika. Fantatry ny fianakavian’ny niharam-boina ny telo tamin’ireo dimy nanafika. Voalaza fa mpamerin-keloka ny sasany amin’ireo saingy votsotra hatrany na eo anivon’ny mpanao famotorana na eo anivon’ny Fitsarana. Mbola nitranga izany tamin’ity fanafihana mitam-basy tao Ankililaly ity, araka ny fitarainan’ny fianakavian’ny niharam-boina dia votsotra ny zoma ny olona nahiahiana ho tompon’antoka raha efa voatana vonjimaika nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 septembre 2020 15:58
    • Loharanom-baovao: InfoCom Seg

    Fisolokiana: Teratany Nizeriana roa notanana am-ponja vonjimaika

    Teratany Nizeriana telo lahy nanao fisolokiana tamin'ny alalan'ny tambazotran-tserasera no voasambotry ny Zandary avy ao amin'ny fikarohana heloka an'habakabaka (cybercriminalité), ny 10 sy 13 septambra 2020 teto Antananarivo. Vehivavy teratany malagasy miisa roa no lasibatra, ka nahazoan'ireo vola mitentina 10 600 000 Ariary. Naman'izy ireo izay mipetraka any Dubai no atidoha nikotrika ny fisolokiana ka milaza fa handefa fanomezana nefa mitaky vola hikarakarana ny "certificat d'origine" an'ireo entana. Ireo Nizeriana no mpandray izany vola izany. Natolotra ny fampanoavana ny 16 septambra 2020 ny raharaha ka notanana am-ponja vonjimaika ny roalahy tamin'ireo mpisoloky telo. (Loharanom-baovao: InfoCom Seg) (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 septembre 2020 12:03
    • Sary nindramina

    Lopary – Vangaindrano: Mamboly hazo ny Fokonolona hiarovana ny tany tsy ho lasan'olom-bitsy

    Fokonolona ao anatin'ny Fokontany miisa telo ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Lopary, Distrikan'i Vangaindrano no mivondrona ao anaty fikambanana Soa Miaradia. Natao mba hiarovana ny tombontsoa iombonana. Miroso amin'ny fambolen-kazo izy ireo handrakotra ala an'ireo tanim-pokonolona. Fandraisana anjara amin'ny fandrakofana ala hikajiana ny tontolo iainana sady fanatanterahana ny voarakitra ao amin'ny drafitra fampandrosoana ny tanàna ny tsy maintsy hananan'ny Fokontany tsirairay avy tanim-pambolen-kazo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 septembre 2020 22:03
    • Sary nindramina

    Bebandro Ambalanirana: Kilan'ny afo ny sekoly noho ny doro tanety tsy voafehy

    May kila hotohoton’ny afo ny Ecole Communautaire Bebandro ao amin'ny Kaominina Ambalanirana, Distrika Tsiroanomandidy. May tao avokoa ireo fitaovan-tsekoly sy entana enti-mampianatra toy ny boky sy kahie ary koa ny dabilio sy ny latabatra. Ny alin’ny talata 15 septambra 2020 no niseho ny loza, ary doro tanety tsy voafehy no voalaza fa nahatonga ny fahavoazana. Misy kilasy T1 ka hatramin'ny T4 ity Sekoly ity, ary mahatratra 150 ireo Mpianatra ao.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 septembre 2020 21:14

    Fiarovana ny sosona ôzôna 2020 : Manohana an’i Madagasikara ny Firenena Mikambana

    Manohana an’i Madagasikara amin’ny fanafoanana tsikelikely ny entona manimba ny sosona ôzôna ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel). Lanonana roa sosona no nankalazaina ny faha-16 Septambra 2020 tao amin’ny CNEAGR Nanisana, ka ny voalohany dia ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny sosona anabakabaka ôzôna, ary ny faharoa kosa dia fanolorana ireo fitaovana avy amin’ny ONUDI. « Ôzôna ho an’ny fiainana » io no lohahevitra nosafidin’ny Firenena Mikambana tamin’ity taona 2020 ity hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana sosona anabakabaka ôzôna.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 septembre 2020 22:37
    • Sary nindramina Facebook

    Ambohimiangaly Ambatondrazaka: Namono olona 4 ny kabonen’ny fiangonana Jesosy Mamonjy

    Lehilahy efatra no indray namoy ny ainy tao anaty tay sy amany tany Ambohimiangaly Ambatondrazaka androany alarobia 16 septambra sahabo ho tamin’ny 9 ora maraina. Mpirahalahy iray tampoho ny telo. Nokaramaina nihady lavaka WC mirefy 14 metatra tao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy izy ireo.Efa feno ny toeram-pivoahana teo aloha ka io lavaka vaovao 14 metatra io no vahaolana. Notrobahana mba hifandray ny fanambanin’ny lavaka mba hahafahan’ny maloto mifindra toerana.Miendrika “vases communicants”, araka ny teny vahiny, izany ny lavaka taloha sy ny vaovao. Nisy fitaovana hadino anefa tany anaty lavaka ka niezaka nandeha naka azy io ny mpihady lavaka iray.Efa tafakatra tokony ho 3 metatra teo anefa ny maloto tao ambany.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 205