Ambovombe: Lehilahy iray tra-tehaka niaraka tamin’ny basy gasy saika hanafika

  • mardi, 11 août 2020 20:04
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Nahatratra olon-dratsy iray mitondra basy gasy ny Zandary nanao fisafoana tao Berary-Ambovombe ny alahady tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina.

Saika hanatanteraka fanafihana eto Ambovombe izy ity satria tsena, ary fanaon’ireto olon-dratsy ireto ny mifamorivory eto mialohan’ny tsena toy izao, saingy tratry ny velapandrika.
Notanana ao amin’ny brigady Ambovombe io olon-dratsy io anaovana fanadiadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.