Covid-19: Nahavita fitiliana 65 625 ny nosy Maorisy

  • vendredi, 08 mai 2020 21:35
  • Zakaria

Tsy nahitana tranga vaovao olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 atsy amin’ny nosy Maorisy tato anatin’ny 24ora. Roa sisa ny marary tsaboina ao an-toerana tamin’ireo 332 voamarina fa mitondra io tsimokaretina io.

Nahavita fitiliana 65 625 ry zareo Maorisiana nahafahany nifehy ny fihanak’ity valanaretina ity. Efa miverina tsikelikely ny asa fihariana ataon’ny mponina ao an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.