Coronavirus: Profesora Vololontiana Hanta no afaka manome vaovao ofisialy mikasika io valanaretina io

  • lundi, 23 mars 2020 20:51
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nampahafantarina androany fa ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, izay Sojaben’ny fakioltean’ny fitsaboana oniversiten’Antananarivo, irery ihany, ankoatra ny Filohan’ny Repoblika, no mpitondrateny ofisialy afaka manome vaovao amin’ny antontanisa marina mahakasika ny "Coronavirus" eto Madagasikara.

Hisy ny vaovao manokana isan’andro isaky ny amin'ny 1 ora tolakandro ao amin'ny haino amanjerim-panjakana Malagasy hamoahana ny antontanisa ofisialy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.